Brunelle Razafitsiandraofa: Manaiky ny fandravana rafitra raha tombontsoa ny vahoaka no katsahina.

 

Resa-be etsy sy eroa ny fandravana rafitra eto Madagasikara taorian’ny diniky ny fampihavanam-pirenena. Maro ireo antoko politika na olon-tsotra no tsy manaiky io fehin-kevitra navoakan’ny FFKM io. Tsy mba tahaka izany anefa ny solombavambahoaka voafidy tany Ikongo, Jean Brunelle RAZAFITSIANDRAOFA. Manaiky ny fandravana ny rafitra ity farany raha toa ka hiroso amin’ny fanovana ifotony ny rafitra misy eto amintsika.  »  Tsy mametraka olana amin’izany aho raha apetraka tsara hoe: hanova sy  hampandroso an’i Madagasikara no antony ». Nambarany fa mampikorosofahana ny firenena ny rafitra efa nisy hatrizay ka tokony ovaina tanteraka. Nohamafisiny ihany koa fa raha mbola io rafitra amin’izao fotoana io no ampiharina dia tsy handroso mihitsy i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ izany ny distrikan’ Ikongo satria tsy ao antin’ny fandaharan’ asan’ny governemanta mihitsy ny fampandrosoana iny faritra iny, araka ny nambarany hatrany. Mankasitraka ny fandravana ny rafitra ihany koa ity solombavambahoaka ity raha tena hikatsahana ny tombintsoan’ny vahoaka Malagasy no antony izany fa tsy hoe: halako-bika tsy tiako tarehy. Ho tanterahin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina tokoa ve izany raha mbola eo ireo tsy mikatsaka afa-tsy ny an’ny tenany ihany?

Lynda A.