BNGRC: Hohavaozina ny paikady nasionaly hiatrehana ny loza ara-boajanahary.

Isan-taona dia misy ny fanavaozana ny paika ady ahafahana miatrika ny voina voajahanary raha ho an’ny BNGRC manokana. Notontosaina teny amin’ny  Espace Dera Tsiadana ny atrika asa  handrafetana ny paika ady nasionaly na ny  “Plan de contingeance”. Niarahana  tamin’ireo mpiara- miasa amin’ny BNGRC, toy ny PNUD, PAM… izany fivoriana izany. Hamaritana  ny mety hiseho na vinavina eto amintsika amin’ny faran’ny taona 2015 na ny taona  2016 sy hitadiavana ny  vahaolana no anton’ny fiaraha-miasa.

“Efa nanomboka ny taona 2007 ary mbola mitohy hatramin’izao ny fampiasana azy ity ka ny lesona teo aloha no handrafetana indray ny manaraka”,hoy ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC, Thierry VENTY. Ho fanatsarana ny fomba fiasa daholo izany sy ahafahana maka toky fa ho voafehy ny voina mety hiseho mandritra ny loza ara-boajanahary.

Ankoatra izany, miara-misalahy amin’ny CPGU avy ao amin’ny primatiora ny BNGRC. Nisy ny fikaonan-doha hanavaozana ny paikady nasionaly ifehezana ny voina voajanahary na « strategie national de gestion de risque et de catastrophe émergent ». « Efa tamin’ny taona 2008 no tapitra ny fehim-potoana nampiasana azy ity ka izany indrindra no antony ny fanavaozana », hoy ny sekretera mpanatanteraky ny  CPGU, Lt kol  RATSARAHEVITRA.

Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharana asa izao ny mahakasika ny  loza mety hitranga na”risque émergent”. Horesahina ao anatin’ny fivoriana izany.

Lynda A.