BIRIKY: 75 Ariary ny iray.

Vanim-potoana ny famokarana biriky izao. Betsaka ireo mpandraharaha no mampiasa vola amin’izany. Ho an’Ankadievo, kaominina Alasora manokana, efa manomboka mandoro biriky ny ankamaroan’ireo mpampiasa vola. Manodidina ny 70 ka hatramin’ny 75 Ariary ny vidin’ny anankiray. Fotoana ahafahan’ny mponina miasa ihany koa ny famokarana biriky. Tsy mifidy taona intsony aza indraindray fa hatramin’ny zaza miasa toy ny mitaona biriky. Nandritra ny fidinan’ny Ben’ny Tanana teny an-toerana, nanararaotra nanaitra ny sain’ireo Ray aman-dreny mihitsy ny tenany fa tokony hanana ny zon’ny hilalao ihany ireo ankizy ireo amin’izao fialan-tsasatry ny mpianatra izao.

Ankoatra izany, nitaraina ireo mpampiasa vola sy ireo mpiantsehatra amin’ity sehatry ity fa tsy avela mandoro biriky eny amoron-dalana. Nanazava izany ny Ben’ny Tanana ny kaominina Alasora, Marc Ramiarinjatovo  fa manelingelina fifamoivozana no antony nanakanana azy ireo. Nifandresy lahatra teo ny roa tonta ka tapaka fa afaka mandoro biriky fa tsy eny amin’ny toerana fifamezivezena kosa.