BIBY MPAMOTIKA VOLY: Ny paikady hiatrehana izany

Tapitra ahitana ilay biby mpamotika voly sy zava-maniry antsoina hoe: “chenille legionnaire d’automne” na CLA ny faritra 22. Ireo voly katsaka no tena lasibatra. Manoloana izany, laharam-pamehana ho an’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP) ady atao amin’ny CLA, araka ny valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety ny 8 febroary 2019 ho fampahafantarana ny paikady iadiana amin’ny  CLA. Hanome tànana ny tantsaha mpamokatra katsaka ny MAEP miaraka amin’ireo teknisianina miisa 300 sy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (FAO).

Mizara telo ny dingana ho tanterahina ka ny voalohany sady maika dia ho an’ny 20 andro ho avy.  Tany mirefy 5000 hektara amin’ireo toeram-pambolena katsaka  faritra Itasy, Bongolava, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana no iasana. Ny dingana faharoa, ho an’ny 60 andro manaraka dia hiasana avokoa ny faritra rehetra eto Madagasikara ka tany mirefy 25 000 hektara no hanaovana ny asa iadiana amin’ny CLA. Ao anatin’ny roa na telo taona kosa no hanatanterahana ny dingana fahatelo sady farany.  Ny fanamafisana ny fahaiza-manao ireo mpamokatra sy ireo mpiantsehatra  rehetra miady amin’ny CLA  no ho atao amin’izany mba ahafahana mitondra vahaolana mahomby iadiana amin’ity biby mpanimba voly ity.

Ao anatin’ny fampandraisana anjara ny rehetra no hanatanterahana ireo dingana rehetra ireo ary ho ivon’izany ny mpamokatra katsaka, hoy ny ministry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, Lucien Ranarivelo.Hahazo toro-làlana ihany koa izy mba hahay hanapa-kevitra amin’ny fotoana rehetra ho fiarovana ny voly, ho fanatsarana  ny vokatra ary ho fiantohana ny fahampian-tsakafo saingy ao anatin’ny fiarovana tontolo iainana tanteraka.

Lynda A.