Ben’ny Tananan’ny Ampitatafika: Mbola hirotsaka ho fidiana indray.

Hilatsaka ho fidiana Ben’ny Tanana indray Andriamatoa Rado Ramparaoelina izay Ben’ny Tananan’i Ampitatafika amperinasa. « Tsapa fa tanteraka 90% ny vina nampanatenaina ireo mponina », hoy izy. Ny fahatsapana fa be ny vita ary ny fahitana fa misy ny azo tontosaina vaovao no anisan’ny nandresy lahatra hirosoan’i Rado Ramparaoelina amin’ny fifidianana kaominaly ho avy izao. « Mila tohizana ny ezaka vita ho fampandrosoana ny kaominina », hoy Rado Ramparaoelina Ben’ny Tanana ankehitriny. Anisan’ny olana nosedrain’ny kaominina ny lafin’ny fandoavan-ketra. Ho jerena akaiky sy hitadiavam-bahaolana izany amin’ny mandat faharoa araka ny nambarany hatrany.

Lynda A.