BEN’NY TANANA AN’ANDOHARANOFOTSY: Hiitatra eny Morarano, faritra Andrefan’ny kaominina ny fitateram-bahoaka.

Tsy te hiaritra fitohanan’ny fiara sa manenjika versement sa tsy fanarahan-dalana tsotr’izao no mahatonga ireo taxi be miodina na tsy tonga hatrany amin’ny farany?  Mitaraina avokoa ireo mpampiasa ireny taxi-be ireny. Ho an’ny kaominina Andoharanofotsy, nandray fanapaha-kevitra niaraka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny ATT. Tapaka tamin’ny atrikasa niarahana tamin’ny mpitatitra sy ny tompona koperativa  fa ho giazana avokoa ireo fiara manao izany. “Tsy alaina fotsiny ny taratasy fa ampidirina « fourrière » mihitsy ny fiara”, araka ny fanazavan’i Hasina Nirin’ny Aina RANIRISON,  Ben’ny Tanana an’ny kaominina Andoharanofotsy.

Hita fa mahasoa ny vahoaka sy manatsara ny tanana ny fanitarana zotra manodidina ny kaominina. Efa miroborobo ihany koa ny tanana ka ilaina izany. Noho izany afaka 15 andro eo, hisy fiaram- pitateram-bahoaka eny Morarano, faritra Andrefan’ny kaominina.

Raha ny faneken’ny koperativa tamin’ny kaominina dia manomboka ao amin’ny  05 ora maraina ka hatramin’ny 09 ora alina no miasa ireo taxi be eny amin’ny kaominina.   Ankoatra ny zotram-pitaterana eny ambanivohitra  F, anisany mitatitra  ny vahoaka eny an-drenivohitra ihany koa  ny laharana 137, 187 ary ny 172.