BEN’NY TANÀNA AMBOHITRIMANJAKA: Laharam-pamehana ny fanabeazana

Tsy ho ela dia hisoratra amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny tany hiorenan’ny CEG Ambohitrimanjaka.  Nanampy tamin’ny fanoratana ny tany iorenan’ny CEG ny  kaominina ambanivohitra Ambohitrimanjaka. “Sao any aoriana any miorina amin’ny tanin’olona ny foto-drafitr’asam-panjakana. Ho fiarovana ny tany misy ny CEG dia natolotry ny kaominina an’ny ministera ny tany”, hoy ny ben’ny tanàna ny kaominina Ambohitrimanjaka, Mino Mbolatiana Rabemihoatra, nandritra ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny CEG Ambohitrimanjaka  ny 5 martsa 2019.

Nambaran’ny ben’ny tanàna fa laharam-pamehana ho an’ny kaominina ny lafiny sosialy toy ny fanabeazana, fahasalamana ary ny fambolena. Tsy maharaka ny fitomboan’ny mponina ny foto-drafitr’asa amin’ny sehatry ny fanabeazana. Izany indrindra no nahatonga azy nanararaotra nangataka tamin’ny solontenan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena nanatrika ny fankalazana faha-40 taonan’ny CEG. “Tsy misy afa-tsy iray ny CEG ka mangataka efitranon-tsekoly efatra hafa izahay mba ahafahan’ny zaza Malagasy mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana”, raha ny lahatenin’i Mino Mbolatiana Rabemihoatra. Nampanantena  ny ben’ny tanàna fa hanampy amin’ny fanamboarana ny toeram-pivoahana ao amin’ny CEG  izay  efa simba tanteraka.

Lynda A.