BANKY FOIBEN’I MADAGASIKARA: Nihena ny tahan’ny vidim-piainana

Tapaka  tamin’ny fivorian’ny « comité monétaire » an’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) fa tazomina ho 9,5 % ny « taux directeur » ary 13 % ny « coefficient des réserves obligatoires ». Fitaovana iray ahafahana mampiroborobo ny toe-karena sy hifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana io fanapahan-kevitra io. Nambaran’ny governoran’ny BFM, Alain Rasolofondraibe fa mifehy amin’ny ampahany ny fiakaran’ny vidim-piainana ny  asan’ny banky foibe. Isaky ny zoma voalohan’ny novambra sy ny volana mey no mivory ity « comité » ity. Ny 2 novambra 2018 teo teny amin’ny BFM Antaninarenina no nampahafantarina ny vokatry ny fivoriana.

Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana sehatra efatra no nahafahan’ny « comité monétaire » an’ny BFM nandray izao fanapahan-kevitra izao. Tao anatin’izany ny fanadihadiana ny zava-misy ankehitriny, sehatra avy any ivelany, ny fanjakana ary ny toe-bola. Araka ny tarehimarika nomen’ny BFM dia 7, 5 % ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana eto amintsika raha toa ka 8,2 % izany tamin’ny volana aogositra 2017. Nilaza ny governora Alain Rasolofondraibe fa mifanaraka amin’ny zavatra ilain’ny firenena izany. Nahatsapa ihany koa ny « comité monétaire » an’ny BFM fa nahitana fihatsarany ny maridrefy sasany amin’ny momba ny toe-karena. Izany indrindra no nahafahana namaritra ny fitaovana entina hifehezana ny vola malagasy. Na dia eo aza izany, mety hiakatra ny vidim-piainana ho an’ny volana manaraka ka anisany antony hahatonga izany ny “géopolitique internationale”, ny toe-draharaham-pirenena sy ny maro hafa.

Lynda A.