ASSOCIATION LA CHARITE DE MADAGASCAR : Fianakaviana mpino silamo 250 nomena fanampiana

Asa sosialy ao anatin’ny volana Ramadany. Fianakaviana mpino silamo miisa 250 no nahazo vatsy avy amin’ny Association La Charité de Madagascar ny 17 mey 2020 teny Andranomena. Vary, menaka, siramamy, ronono, ranomboankazo, lafarinina no tao anatin’ireo “colis alimentaire” nozaraina. “Tsy manao politika, tsy misy resaka finoana ny Association La Charité de Madagascar fa manao asa sosialy. Manampy ny olona sahirana izahay. Tsy ankanavaka antokom-pivavahana fa na Kristianina aza ampianay toy ny fanamboarana fiangonana. Manampy ny mpino silamo ihany koa izahay ka amin’izao volana Ramadany izao dia nanome fanampiana ho an’ireo mpino silamo sahirana ny fikambanana”, hoy ny filohan’ny fikambanana La Charité de Madagascar, Zouber Assenjee.

Maro ireo miara-miasa amin’ny fikambanana. Araka ny fanazavan’i Zouber Assenjee fa ny Fondation Viseo no nanampy betsaka ka nahafahana nanomana ireo “colis alimentaire”.  “Efa ela ny Fondation Viseo no nanohana ny fikambanana. Tao anatin’ny telo taona dia nanampy anay tamin’ny fizarana sakafo ho an’ireo zaza kamboty ao amin’ny akany La Charité any Manakara ry zareo”, hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana.

Championnat du Monde du Petanque Intercommunautaire ( CHMPI )

Fanampin’izany, anisany nitondra ny anjara birikiny tamin’io hetsika asa sosialy ihany koa ny CHMPI (Championnat du Monde du Petanque Intercommunautaire). 500 colis alimentaires no atokan’ny fikambanana ho zaraina amin’ity volana Ramadany ity. Noho izany, mbola hisy ny fizarana fanampiana andiany afaka herinandro ka ireo olona sahirana rehetra, tsy mpino silamo ihany no hisitraka izany. Marihina fa ao anatin’ny volana Ramadany dia misy ny fahafolon-karena ataon’ny mpino silamo ary atambatra izany entina hanampiana ny sahirana.

Lynda A.