ASSOCIATION DES JOURNALISTES ENVIRONNEMENTAUX: «Mirongatra ny fitrandrahana antsokosoko ny harena voanjanahary, ny doro tanety sy doro ala rehefa krizy tahaka izao »

Manao antso fanairana ireo mpanao gazety mpikirakira  ny tontolo iainana  mivondrona ao amin’ny Association des journalistes environnementaux (AJE) eto Madagasikara fa « mirongatra ny trafika harena voanjanahary, ny doro tanety sy doro ala rehefa amin’ny vanim-potoanan’ny krizy tahaka izao. Iaraha-mahalala ny tranga farany teo izay nahitana trangana afo tao amin’ny valan-javaboahary Ankarafantsika. Nisy trangana afo nisesy tao anatin’ny roa andro monja. Hita sy fantatra ihany koa ny doro ala manerana ny faritra maro, toy ny tranga tao Menabe, Manjakandriana…», hoy i Andriantefiarinesy Njaka, Filohan’ny AJE, ny talata 21 oktobra 2025, teny Ambohidahy.

Nambarany fa manangona vaovao sy mitatitra izany ny asa fototry ny mpanao gazety. Manaraka ny fivoaran’ny tranga iray ihany koa. « Matetika rehefa vanim-potoanan’ny krizy  na toe-draharaha mafana misy eo amin’ny firenena tahaka  izao dia mirongatra ny tsy fanarahan-dalana amin’ny lafiny rehetra,  indrindra ny lafiny ara-tontolo iainana toy fitrandrahana antsokosoko ny harena voanjanahary. Izany indrindra no antony hanaovana fanairana amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, manomboka amin’ny eny ifotony ka hatrany amin’ny mpanatanteraka mba hanamafy ny fanarahamaso sy ny fitantanana ny harena voanjanahary », hoy hatrany ny AJE.

Manao antso fanairana ny Filoham-panjakana sy ny fitsarana ihany koa ireto mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana  ireto momba ny famoahana gadra “tsy politika”, toy ny famoahana  ny  solombavambahoaka  Ramanatanana Roméo Christophe.

« Tsy antony ara-politika velively no maha voasazy ity olom-boafidy ity fa heloka ara-tontolo iainana », araka ny fanazavan’ i Andriantefiarinesy Njaka, Filohan’ny AJE.

Nampatsiahy ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-MG) fa voasazy higadra 10 taona an-tranomaizina  io solombavambahoaka io noho fanondranana sokatra sy famotsiambola, miampy lamandy 60 tapitrisa ariary sy fandrotsahana vola 2 miliara Ariary ho an’ny fanjakana. « Mamparefo ny fanjakana tan-dalàna ny famoahana gadra tsy misy idiran’ny politika » , araka ny fanambarana nataon’ny TI-MG.

Hita teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ity solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana ity, nandritra ny fampahafantarana ny Praiministry ny fFadidian’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Rajaonarivelo  Herintsalama, ny 20 oktobra 2025.

Lynda A.