ASSOCIATION BAOBAB MADAGASCAR: Manampy ny mpiara-belona manerana ny Nosy

Namaly ny antson’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora ny Association Baobab Madagascar.  Nizara vatsy ho an’ireo  ankizy marefo miisa 300 ao amin’ny EPP Ampahibato Alasora fikambanana ny 14 martsa 2021. Sakafo masaka (vary sy laoka akoho sauce) miampy koveta, stylo, kahie ary soja vovony  no nozaraina tamin’izany.  “Ny hetsika natao androany   dia tohiny ny hetsika sosialy fanaon’ny  kaominina ambanivohitra Alasora. Tohiny ny efa natao tamin’ny 8 martsa izay ho an’ny reny sy ny zaza fa tamin’androany dia niarahana manokana amin’ny Association Baobab Madagascar”, hoy Randriantsoa Mireille, vadin’ny Ben’ny tanànan’Alasora.

Kere sy Covid19

Fikambanana mampivondrona ireo karàna zanatany eto Madagasikara mizara fanomezana, manampy ny mpiara-belona manerana ny Nosy ny Association Baobab, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana. “Manampy  ny zaza mianatra amin’ny EPP, beantitra, zaza kamboty,  olona manana fahasembanana izahay”, hoy i Rizvan Moramali Satsou.  Ny taona 2018 no niforona ity fikambanana ity ary eto Antananarivo ny foibeny. Nampatsiahy ny filohan’ny fikambanana fa  efa nanampy ireo traboina vokatry ny rivo-doza. Vao tsy ela akory fa tamin’ny novambra 2020, nidina tany amin’ny faritra Atsimo ry zareo nizara vatsy ho an’ireo tratry ny kere ary mbola mitohy izany amin’izao fotoana izao. Tsy adino ihany koa fa nitondra ny anjara birikiny amin’ny fanohanana ny mpiara-belona manoloana ny valanaretina Covid19 ny Association Baobab Madagascar.

Lynda A.

Horonan-tsary:

ASSOCIATION BAOBAB MADAGASCAR: Manampy ny mpiara-belona manerana ny Nosy