ASSOCIATION BAOBAB DE MAHAJANGA: Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tao Mahanoro

Tsy voasakan’ny halaviran-toerana ny fanaovana asa soa. Anisany nolalovan’ny andro ratsy Francisco ny faritra Atsinanana tamin’iny volana febroary 2020 iny. Lasibatra tamin’izany ny distrikan’i Mahanoro. Amin’ny maha mpanao asa sosialy ny “association Baobab de Mahajanga” dia nitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ireo traboina tao amin’io distrika io ny fikambanana, ny 15 martsa 2020 lasa teo. Vary, menaka, siramamy, labozia, tsaramaso, sira, lafarinina sy ny maro hafa no voaangon’ireo mpikambana ao amin’ny “association Baobab de Mahajanga” ka natolotra ireo mpiara-belona miisa 150 mahery. Araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Al Hajj Rizwan Mouramali Satsou fa tsy manao politika ary tsy misy resaka « antokom-pivavahana » ny fikambanana tantaniny fa manampy ny mpiara-belona fa indrindra ireo sahirana. Nohamafisin’ny filoha misahana ny kolontsaina sady mpanorina ny fikambanana, Sheick Mouhamad Zouber Assenjee  ihany koa fa « manao asa soa manerana an’i Madagasikara  izahay. Rehefa hitanay fa misy Malagasy  sahirana dia tonga izahay manampy azy ireo”.

Coronavirus

Tanora karana, teratany Malagasy niara-nianatra tany Mahajanga no namorona ny “association Baobab” ny taona 2018. Ankoatra ny fizarana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia ao anatin’ny asa ataon’ny fikambanana ihany koa ny fanamboarana vovon-drano, ny fizarana “kit scolaire”, ny fizarana sakafo isaky ny fokontany ka in-droa isankerinandro ny eto Antananarivo. Ho an’ny lafiny fahasalamana indray dia manome fampitaovana toy ny kidoro, fandriana ary  famatsiana fanafody ho an’ireo toeram-pitsaboana fototra (CSB) sy hopitaly any amin’ny ambanivohitra ity fivondronan’ireo tanora karana avy amin’ny “communauté Khoja” ity. Manana vina handray anjara amin’ny fanavotana ny tanindrazana manoloana ny otrikaretina Coronavirus izy ireo ka ho taterina eto ihany ny andinidininy izany.

Lynda A.