ASIEF OPEN 2020: Ho fanamarihana ny taom-pilalaovana 2019-2020

Ho entina miady amin’ny aretina isan-karazany. Nanomboka androany 28 novambra 2020 ary hifarana rahampitso 29 novambra 2020 ny dingan’ny famaranan’ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana izay karakarain’ny ASIEF (Association Sportive Interministériel pour l’entretien des fonctionnaires). « Efa nolazaiko fa tsy maintsy misy ny hetsika atao ho fanamarihana ny taom-pilalaovana 2019-2020. Fanombohan’ny hetsika karakarain’ny Asief alohan’ny faran’ny taona izy ity. « Open » no natao izay andraisan’ny mpiasam-panjakana anatin’ny ministera sy ny andrim-panjakana”, hoy ny Filohan’ny fikambanana Randrianarison Jean Aimé na i John Love. Nambarany fa efa ela be no nandrasan’ny mpiasam-panjakana ny hetsika tahaka izao. “Fahombiazana ny hetsika androany satria 70 % ny mpiasan’ny ministera no nandray anjara. Misy aza vao hisoratra anarana fa tsy mety noho ny fandaminana fa hijerena hetsika hafa indray izy ireo”, hoy izy.

Vokatra

Taranja valo no nifaninanan’ny mpiasam-panjakana nandritra ny Asief Open 2020. Anisan’izany ny basketball, football, volleyball, pétanque, tennis ary amin’ny 13 desambra 2020 ny “athlétisme”. Raha ny vokatry ny lalao manasa-dalana ho an’ny taranja volley ball dia resin’ny ekipan’ny Primatiora 3 noho 0 ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ary resin’ny ekipan’ny PBZT 3 noho 1 ny MDN. Noho izany ny Primatiora  sy ny PBZT no hiatrika ny lalao famaranana ny 29 novambra 2020 ao amin’ny kianja mitafo Ankatso. Ho an’ny taranja basketball, sokajy lehilahy dia ny ekipan’ny tahirim-bolam-panjakana no nandresy tamin’ny lalao famaranana rehefa avy nifaninana tamin’ny Oniversite Antananarivo. Ho an’ny sokajy vehivavy dia ny ekipan’ny ministeran’ny fahasalamana no  nibata ny fandresena raha nifandona tamin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny (MAE). Nohamafisin’i John Love fa ho fanetsehana hatrany ny mpiasam-panjakana mba ho entina miady amin’ny aretina isan-karazany no tanjona amin’ny hetsika. Tsiahivina fa tokony tany Mahajanga no nanaovana ny fifaninanana nasionaly ho an’ny taom-pilalaovana 2020 saingy tsy tanteraka izany noho ny valan’aretina covid-19.

Lynda A.