AS-TAFIM: Miainga amin’ny fanampiana tosika ny tanora ny fampandrosoana.

Mbola tsy miova na dia  vaovao  aza ny taona. Ho an’ny fikambanana AS-TAFIM na Asa ho an’ny Tanora, Antoky ny fampandrosoana  Ifotony eto Madagasikara  dia miainga eny ifotony ny fampandrosoana. “Ny fanomezana tosika ho an’ny tanora no voalohany amin’izany”, hoy ny Filoha Nasionaly, Fulgence RAMAMONJISOA. Betsaka amin’izy ireo no manam-pahaizana saingy tsy manana asa. Raha hamorona indray, ny enti-manana no tsy misy. Izany indrindra no ivondranan’ireo tanora manerana boriborintany enina sy ny distrikan’Avaradrano sy Atsimondrano ao anatin’ny fikambanana mba hanosehana haingana fampandrosoana ny mpikambana ary ny ankohonany. Hipaka any amin’ny fiarahamonina izany avy eo.

Tsy eto Antananarivo ihany no misy ny fikambanana fa efa manerana Nosy. Tonga nanatrika fifampiarahabana nahatratry taonan’ny ASTFIM izao ny solontena avy amin’ny faritra Itasy, Alaotra Mangoro.

Nandritra ny lanonana niarahan’ny fikambanana nifety omaly, nozaraina vary,siramamy,kafe ary sira ireo mpikambana.