ANTSO HO FANAVOTAM-PIRENENA: Hitarika ny vahoaka hidina an-dalam-be na tsy mahazo alalana aza.

Ho tohiny ny fangatahana tsy nahazoam-baliny nataon’ny AFP na Antso ho Fanavotam-Pirenena dia hidiana an-dalam-be hitarika ny vahoaka izy ireo amin’ny zoma faha-19 Aogositra 2016. “Fahapotehina sy famonoana ny mpiray tanindrazana ary fivarotan-tanindrazana no miseho ankehitriny. Noho izany, “tsy maintsy faranana faran’izay haingana izao fitondrana izao”. Rehefa tsy nihaino  ny fitondram-panjakana dia ny “fampiasana ny fahefam-bahoaka” araka ny lalampanorenana no vahaolana hialana  amin’izao fahantrana izao, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny  AFP, Razafimanantany Faniry. Ny hetsi-bahoaka no ahafahana manaporofo  fa mandia fahantrana lalina ny Malagasy,  miaro ny tanindrazana manoloana ny fanjakazakan’ny vahiny ny harem-pirenena, mamonogotra ny herin’ny maizina mangeja an’i Madagasikara ary manavotra ny firenena sy mamerina ny hasin’ny tany. Ireo foto-kevitra efatra lehibe ireo no antony hanatanterahina io fidinana an-dalam-be amin’ny 19 Aogositra io.

Noho izany, miantso ny vahoaka Malagasy rehetra ny AFP ho tonga maro eny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena Analakely izay manomboka amin’ny 09 ora sasany maraina.