ANTSO FIARAHAMONINA KRISTIANINA (AFK): Afaka atao ny manafoana ny tsy fisian’asa

Miantso ireo vonona sy resy lahatra. Hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny firenena malagasy ny AFK na Antso Fiarahamonina Kristianina. Nampahafantarina nandritra adihevitra an-databatra boribory niarahan’ny fikambanana tamin’ny mpanao gazety, ny 13 janoary 2021 teny Ampandrana ny vina ahatongavana amin’izany.  “Tsy fiangonana , tsy antoko politika ny AFK fa olom-pirenena tsotra fa malahelo fa milentika lalina ny firenena. Andriamanitra ve manentsin-tsofina kanefa vavaka an-tapitrisany no miakatra any an-danitra. Rehefa nijery izahay dia tsy manentsin-tsofina Izy fa isika no tsy nihaino azy. Hafany voalohany ny hoe: mifankatiava, mifanomezan-tanana”, hoy ny Filohan’ny fikambanana, Andriamparany Ricky.  Nambarany fa antony nitsanganan’ny AFK dia “isika Malagasy mifanome tanana, ho tanteraka eto amintsika ny fiarahamonina tsy mifampitsetsitra, tsy mifanambany, fa mifanohana, mifampivelatra”. “Manana fikasana miezinezina ho an’ny firenentsika Andriamanitra. Ny vina rehetra mijanon-ko resaka rehefa  tsy misy asa mazava. Ohatra rehefa hanao trano, tsy maintsy mazava ny planina izany trano izany”, hoy izy.

Mifanome tanana

 Nitsangana tamin’ny 2017 ity fikambanana ity ary nandalina io vinan’Andriamanitra io sy ny vina hahatongavana amin’izany ka namoaka boky miisa fito (07). Voarakitra ao anatin’ireo boky ireo ny hevitra sy ny fomba rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara. “Afaka atao ny manafoana ny tsy fisian’asa eto amin’ny firenentsika, tsy mihindram-bola any amin’ny mpamatsy vola na Ariary aza”, hoy i Andriamparany Ricky. Araka ny fanazavany  hatrany fa efa vonona io “plateforme” ara-teknolojia  io fa miandry ny olona hiditra any amin’ireo andry fototra sivy (09) izay mbola tsy tafajoro eto amintsika. Miantso ireo olona sahy hijory sy handray andraikitra hanangana ireo andry fototra ireo ny AFK. Ao anatin’ireo andry  fototra ireo ny centre de gestion (tsy ny olona rehetra no mahay fitantanana), ny centre d’integrité (mba tsy hifamitapitaka), ny centre des normes (mba hanaram-penitra ny zavatra atao), ny centre d’arbitrage et de  resolution de conflits ( amin’ny resaka fandraharahana io  be ny fetsifetsy dia io no handamina ny ady). Manaiky ho fehezin’ireo andry fototra ireo ny fandraharahana ka izay miditra ao dia tsy mifaninana fa mifanome tanana, mifampivelatra.

Lynda A.