ANTOKO UNDD: « Tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana »

Fiaraha-mientana. Manamafy ny antoko UNDD ( Union Nationale pour le Développement et la Démocratie) fa mandalo kihon-dalana sy fotoan-tsarotra indray ny firenena malagasy. « Araka foto-kevitra, soatoavina, « éthique » politika nitaizana ny mpikambana sy nolovany tamin’i Profesora Zafy Albert dia tsy afaka hitazam-potsiny ny antoko », hoy i Manoro Régis, Sekretera jeneralin’ny UNDD sady filoha nasionaly mpisolo toerana mandra-pahavitan’ny kongresy manaraka, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 12 martsa 2021 teny Ivandry.

Manoloana izany mahatsiaro tena ho manana adidy sy andraikitra hijoro sy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fiatrehana sy fitadiavana vahaolana ity antoko ity.

 » Tsy maintsy miainga sy mifototra amin’ny amin’ny firaisankina, fiaraha-mientana sy fivondronan’ny Malagasy rehetra anefa izany ». Milaza ireo mpikambana fa « lasa fifanandrinana miendrika fifandiran’olona roa, ny mpitondra sy ireo mamaritra ny tenany ho mpanohitra no mahoraka. Tsy io fifanandrinana io no zava-dehibe fa ny krizy mangirifiry mianjady amin’ny vahoaka Malagasy rehetra manerana ny Nosy. Ka io no tokony hiarahantsika mibanjina sy miatrika ary hiarahantsika mitady vahaolana maika ».Milaza ny antoko fa « amin’izao krizy mafy diavin’ny firenena ary ahiana ho mafy dia mafy izao dia tsy vahaolana ny fanonganam-panjakana ».

Fanorenana firenena vaovao 

Manao antso avo amin’ny Filoham-pirenena ny sy fitondrana ny antoko politika UNDD handray ny fepetra rehetra azony atao mba hirosoana amin’ny fiarahana misalahy hamadika ny pejin’ny fahantran’ity Tanindrazana iombonana ity, hanorina firenena vaovao sy vanona. Manao antso avo ny hery velona ihany koa ny antoko hiara-mientana hampijoro Repoblika Malagasy vaovao miray ao anatin’ny fahasamihafana, mitsinjara fahefana.

Marihina fa nampahafantarina tamin’io andro io ny birao vaovao mandrafitra UNDD.

Lynda A.