ANTOKO HVM: Ambadika politika ny fanapoahana “grenade”

Naneho ny heviny momba ny fanipazana “grenade” tao amin’ny foibe HVM Antanimena ny antoko HVM Analamanga, Atsimondrano ary ny Avarandrano. Raha ny vaovao azo, nisy olona nanipy “grenade” teo anoloan’ny foiben’ny antoko ny alin’ny sabotsy 24 martsa 2018, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vokatry ny fipoahana, vaky ny fitaratra amin’ny varavaran-kely ary nisy vehivavy iray mpivarotena  nijorojoro teo akaikin’ny foibe naratra. Efa nahazo fitsaboana izy. Nambaran’ny mpandrindra ny antoko HVM Analamanga, Ndranto Rakotonanahary fa fihetsika mampiseho fampihorohoroana ny zava-nitranga tamin’ny alahady iny. “Noho izany, manameloka ny fihetsika tahaka ireny izahay ary hanao izay ahafantarana ny tompon’antoka tamin’ireny tranga ireny”.  Nanamafy ihany koa ity tomponandraikitra ity fa  raisin’ny antoko ho ambadika politika ny fanapoahana “grenade” teny amin’ny birao foibe. “Azo atao ny maneho hevitra fa tokony  tsy atao amin’ny alalan’ny fihetsika miendrika fampihorohoroana tahaka ireny”. Marihina fa efa manao ny famotorana  ny raharaha ny sampandraharaha misahana ny heloka bevava.