Antoko AREMA: Tsy afa-po tamin’ ny valim-pifidianana.

Nahitana lesoka be indrindra ny fifidianana Ben’ ny Tanana farany teo. Ambany dia ambany ny taham-pahavitrihan’ ny mpifidy satria manodidina 27 % teo izany. Betsaka ihany koa ny tsy voasoratra tao anatin’ ny lisi-pifidianana. Ankoatra izany, nanampy trotraka fiovaovan’ ny lalana mifehy ny fifidianana Ben’ ny Tanana raha tsy hilaza afa-tsy ny fanovana natao tamin’ ny fampiasana bileta tokana izay sari-pamantaran’ ny antoko sy ny anaran’ ny kandida ihany no natao tao. Na dia teo aza izany rehetra izany, nivoaka soamantsara ny valim-pifidianana.

Manoloana izany, nanao fanambarana ny antoko Arema ny zoma lasa teo. Nambaran’ ny Sekretera Nasionaly, Simon Pierre fa fomba nentiny sasany hangalaram-bato ny fampiasana ny sari-pamantarana sy anarana fotsiny tao anaty bileta tokana. Midika izany fa marefo ny fanjakana ka anisany mampisalasala ny mpamatsy vola.

Mahakasika ny valim-pifidianana kosa, tsy nahafa-po azy ireo izany satria mifanohitra amin’ ny fanaraha-maso nataon’ny antoko ny isan’ ireo kandida Ben’ny Tanana lany nambaran’ ny CENI-T.   Toeran’ny Ben’ny Tanana miisa 28 no tokony ho azon’ izy ireo kanefa 16 no nolazain’ ny CENI-T. “Na tsy mahafa-po aza izany dia tsy maty maso ny Antoko Arema”, hoy hatrany ny Filoha Nasionaly.

Azo atao tsara miala amin’ ny tsy fahatomombanan’ ny fifidianana araka ny voalazan’ ity farany. Hevitra efa naroson’ ny Filoha mpanorina ny antoko, Didier Ratsiraka, ihany ny fampiasana ilay vata fandatsaham-bato elektronika na EVM ( Electronic Voting Machine). Matoa io fitaovana io no ampiasain’ny firenen-dehibe dia nahitam-bokatra izany ka tokony hampiharina eto amintsika raha tiana ny hisian’ny mangarahara.

Lynda A.