ANTOKO AREMA: Fifampiresahana an-databatra boribory no vahaolana hampandrosoana an’i Madagasikara.

Tsy vahaolana intsony ny fidinana an-dalam-be fa ny fifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny latabatra boribory no vahaolana hanalana ny Malagasy ao anatin’izao fahantrana izao. Amin’izay fotoana izay, henoina avokoa ny hevitry ny vahoaka ahafantarana ny tena marary azy sy ny hevitra aroson’izy ireo hamahana ny olana. Noho izany, mbola manohy ny antso ataon’ny Filohan’ny Antoko  politika AREMA ny birao Nasionaly sy ireo mpiara-dia aminy dia hanohizana ny fampihavanam-pirenena izay tsy mbola vita hatramin’ny farany.

Nanamafy ny Sekretera Nasionalin’ny antoko, Ange ANDRIANARISOA  fa ny fifampindinihina no lalana manatsara ity firenena ity.

Etsy ankilany, mbola mitohy ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny antoko ka hotohizana  any Mahajanga indray izany amin’ny 02 sy 03 ny volana Septambra 2016. Fampivondronana ny mpikambana ary fampahafantarana ny fisian’ny antoko no tena tanjona amin’ity fitsidiham-paritra ity, araka ny fanazavana.  Hanatanteraka zaika be ireo vehivavy ao amin’ny antoko ka ho fanampiana ny fidinan’izy ireo any an-toerana nanao  ny hetsika fitadiavam-bola ny AREMA.