ANTENIMIERANDOHOLONA: “Tsy tafiditra loatra ao anatin’ny andraikitry izy ireo ny lafiny politika”.

Anisan’ny mpanolotsain’ny governemanta  eo amin’ny sehatry ny toe-karena sy sosialy ny loholona. Tsy tafiditra loatra ao anatin’ny andraikitry ireo  ny lafiny politika, araka ny  fanazavana azo tamin’ny loholona iray eto amin’ny faritra Antananarivo.

Mitondra hevitra hampandrosoana ny  vondrom-bahoaka  itsinjaram-pahefana no tena nandraikitra lehibe miandry azy ireo. Manoloana izany, efa mandeha ny fifampiresahana mahakasika ny famatsiam-bola  omen’ny fanjakana ireo kaominina manerana an’i Madagasikara.

Marihina fa notolorana samboady , ny zoma lasa teo,  ireo loholona miisa 16 eto amin’ny faritra Antananarivo.