ANTENIMIERANDOHOLONA: Talohan’ny nahazoana ny fahaleovantena

Andrim-panjakana anisany antitra indrindra  ny Antenimierandoholona. Hankalazaina amin’ity taona ity ny faha-60 taona nijoroany.  Hampirantiana an-tsary sy an-tsoratra eny amin’ny Lapa maitso Anosikely ny tantaran’ity andrim-panjakana mpanao lalàna, mpanolontsainan’ny governemanta ity. Naverin’ny filohan’ny  Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo nandritra ny lanonana fanokafana ny herinandrom-pankalazana, ny 22 jolay 2019 fa  aroriaka ho an’ny fanjakana ny Antenimierandoholona mba tsy hisian’ny fihoaram-pefy amin’ny lafiny lalàna. Miantoka ny fampanajàna ny demokrasia, ny fahamarinan-toeran’ny fitondram-panjakana ihany koa. Ankoatra izay dia solontenan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ireo loholona, raha ny fanazavany.

Nampatsiahy ihany koa izy fa manana andraikitra amin’ny fampanajàna ny zon’olombelona, ny ady amin’ny herisetra ity andrim-panjakana ity. Nohamafisin’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenana, Rabenirina Jean Jacques, solonten-dRamatoa Filohan’ny Antenimierampirenana, Razanamahasoa Christine tamin’ny lahateny nataony fa natao hanatsarana ny kalitaon’ny fitantanana firenena ny antenimiera ka ao anatin’izany ny Antenimierandoholona. 60 taona aty aoriana, manana vina ny handrava ny Antenimierandoholona ny Prezidan’ny Repoblika Rajoelina Andry satria mandany vola. Mbola tsy tanteraka anefa izany. Fa tena hipàka any amin’ny fampandrosoana tokoa ve ny vola mampiodina ity andrim-panjakana ity raha toa ka foanana ny momba azy.

Lynda A.