ANM: Harena azo antoka fa hanorina indray an’i Madagasikara ny “Iles Eparses”.

Fikambanana mijoro ara-panjakana ny ANM na “Association Nosy Malagasy”. Manana tanjona amin’ny famerenana ireo Nosy malagasy (Iles Eparses) ho amin’ ny fanorenana sy ny fanarenana ny firenena araka ny voalazan’ny andininy faha 2 ny Sata mifehy azy ny fikambanana. “Araka ny lalàna iraisam-pirenena mantsy  dia misokatra ho antsika malalaka ny fomba ahazoana ireo nosy ireo”. Noho izany, ny fikaonan-doham-pirenena no vahaolana hitan’ny ANM hamerenana ireo Nosy ireo. Ny 23 jolay 2016 ho avy izao no hanatanterahana izany, eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely. Harena izay azo antoka fa fitaovana iray ho antsika Malagasy mba ahazoana manorina indray ilay Madagasikara vaovao mantsy ireo Nosy ireo.

Nambaran’ny Filoha Nasionaly, Arlette RAMAROSON fa masi-mandidy amin’ny famerenana ireo Nosy Malagasy – Iles Eparses ny vahoaka Malagasy. Mitaky finoana sy fiaraha-mientana kosa ny fanatanterahana izany.

“Hatreto, tsy nanaja ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka, sy ny zon’ny vahoaka Malagasy amin’ny famerenana manontolo aminy ny tany, tsy misy anombinana ny fitondram-panjakana frantsay”.

Voamarina izany araka ny « Résolution 1514 (XV) – Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960.

26 jiona 1960 – 26 jiona 2016, hankalaza tsy ho ela ny faha 56 taona niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena isika, azo ambara ampahibemaso fa, tsy mbola mahaleo tena tanteraka isika Malagasy.

Manoloana izany, miantso ny governemanta frantsay, hanafoana ny lalàna, ny didim-panjakàna (décret n°60-555 du 1er avril 1960 sy ny Décret n°78-146 du 3 février 1978) ary ny didim-pitondràna noraisiny samy irery izay manamafy ny fiandrianam-pirenena frantsay eo amin’ireo Nosy Malagasy ireo ny fikambanana ANM.