ANDRO MAITSO: Tsy mampiasa moto sy fiara

Tapaka teo anivon’ny filan-kevitry ny governemanta Malagasy ny 11 novambra 2017 fa hohatokana ho an’ny andro maitso tsy fampiasàna fitaovam-pitaterana mandeha motera (journée verte, sans circulation) ny alahady fahatelon’ny volana oktobra. Ny didim-panjakana laharana 2017-1087 no mamaritra izany. Noho izany, ny 21 oktobra 2018 no hankalazana ny « journée verte, sans circulation » amin’ity taona 2018. Entanina ny rehetra tsy hampiasa fiara na moto amin’io fotoana io.

Homamiadana

Tanjona ny hampihenana ny etona « dioxyde de carbone » na CO2 manimba ny sosona ozonina. Anisany mamoaka io etona io ny setroky ny fiara na ny moto. Miaro ny “Ultra Violet” tsy hipaka ety ambony tany  ny sosona ozonina. Amin’izao fotoana izao anefa araka ny fikarohana dia efa goaka izy io ka tonga ety ambony tany ny “Ultra Violet”. Miteraka homamiadana anefa ny “Ultra Violet”, hoy ny talen’ny seraseran’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala ary ny haivoary, Noasilalaonomenjanahary Ambinintsoa.  Nambaran’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, Rivo Rabemananjara fa tsy terena ny olona tsy hampiasa ny fitaovam-pitaterana mamoaka etona CO2 amin’ny 21 oktobra 2018. Miandry ny fahatsapan-tena  ny tsirairay ny fiarovana ny tontolo iainana.

Lynda A.