ANALAJIROFO: Mampidi-bolabe ny faritra rehefa taom-piotazana lavanila.

Ny 11 jolay 2017 ny misokatra amin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lavanila any amin’ny faritra  Analajirofo. “Efa misy ihany  toerana ihany efa  ny manomboka mioty fa io daty voatondro io no tena ofisialy”, hoy i Jacques RAMAROSON, Lehiben’ny  faritra Analajirofo.

Ho fiatrehana izany, efa mipetrakapetraka ny lamina rehetra. Ao anatin’izany ny fitandroana ny filaminana.

Voasokajy ho fanoitra fampandrosoana ny faritra ny voly fanondrana lavanila. Manana fidiram-bola ny kaominina rehefa taom-piotazana. Nambaran’ny lehiben’ny faritra fa betsaka ny foto-drafitra asa vita noho io lavanila io.

Nanatrika ny fivorian’ny Lehiben’ny faritra 22, natao teto Analamanga i Jacques RAMAROSON ka nifanakalo hevitra tamin’ny faritra hafa mamboly lavanila toy i SAVA.  Ho fanatsarana seham-pihariana sy ny paika ady hanatanterahana izany no tena tanjona tamin’izany.