AMPITATAFIKA: 1200 ireo no tra-boina eny amin’ny kaominina,efa nisy ny fepetra noraisina.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no niakatra be ny rano eny amin’ny kaominina Ampitatika. Niteraka fahavakisan’ny fefiloha eny Malaza andehanan’ny renirano sisaony izany ka dobo-drano tanteraka ny tanimbary rehetra manodidina. Soa ihany fa efa nojijaina ny ankamaroan’ireo vary kanefa mbola nisy ireo tavela ka tratry ny rano, raha ny fanazavan’ny Ben’ny Tanana, Rado RAMPARAOELINA. Etsy ankilany, saika dobo-drano avokoa ireo trano manamorona ny reniranon’i Sisaony vokatry ny orana mikija nateraky ny rivo-doza ENAWO. 1200 eo noho izany ireo traboina ka voatery nafindra toerana. “Tsy manana olana amin’ny fametrahana ireo traboina ny kaominina  fa efa vonona mialohan’ny rivo-doza raha ny resaka trano. Ireo fitaovana, kojakoja, sakafo ilain’ireo lasibatra no mila tolo-tanana”, hoy hatrany ny Ben’ny Tanana.

Marihina fa efa nisy ny fanampiana ara-tsakafo ireo traboina ireo.