AMADIA: Ny diabeta sy ny areti-nify.

Mampikorontana ny toe-batan’ny olona voan’ny diabeta ny areti-nify.  Ny marary tsy manaraka fitsaboana matetika no mijaly rehefa tratran’izy ity satria mitombo ny otrikaretina ka atahorana ho ela fery.  Lasa matahotra mankany amin’ny dokotera. Nambaran’ny mpitsabo nify anefa tsy misy atahorana ny mikarakara ny  fahasalaman’ny nify sy ati-vava. Rehefa voalamina tsara ny diabeta dia tsy ho sarotra ny fitsaboana ireto farany.

 Natokana  ho andro iraisam-pirenena ho an’ny Diabeta ny  faha-14 ny volana novambra. Isan-taona, manamafy hatrany ny ady atao amin’ny  ity aretina ity ireo toeram-pitsaboana misahana izany. Anisan’ny nanome tolotra maimaim-poana  ho fitiliana ny aretina izao ny AMADIA.  “Lafo dia lafo tokoa ny sarany aloa raha hitily ny diabeta ka betsaka tsy manana fahefana hanao izany. Ka araraotina ny hetsika tahaka  izao mba ahafahan’ny rehetra hizaha ny fahasalamany”, hoy ny mpitsabo nify ao amin’ny AMADIA, Maholiniana RAZAFIMANATRIKA.