ALPHA SCHOOL: Manokatra varavarana manerana an’izao tontolo izao ny fahaizana ny teny anglisy

Mitombo ny fifandraisana. Mpianatra 35 tao amin’ny Alpha School  no nahazo ny mari-pahaizana DTS (Diplôme  Technicien Supérieur). Nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ity oniversite ity, ny 10 febroary 2021 teny Antsahamanitra, no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny mari-pahaizan’ireto andiany « Avotra » ireto.  Ny lalam-piofanana teny anglisy no hianarana ao amin’ny Alpha School eny 67 ha akaikin’ny CENAM, araka ny fanazavan’ny talen-tsekoly, Ratovohery Jean Aimé. “Amin’ny maha oniveriste azy dia ny diplaoma bakalorea no fepetra takiana. Ny volana martsa ho avy izao ny fidirana ho an’ny taom-pianarana manaraka”, hoy izy. Nambarany fa 21 taona izay no nisian’ny sekoly.  Efa  ho 10.000 ny mpianatra nivoaka tao ary  manana diplaomam-panjakana manomboka eo amin’ny DTS, Licence ary Master.

Rehefa mivoaka ao amin’ny Alpha School ny mpianatra dia afaka mandika teny, mampianatra teny anglisy amin’ny toerana maro ary manao guide touristique. Nilaza Ratovohery Jean Aimé fa “ teny anglisy no hianarana fa rehefa amin’ny taona fahatelo dia miitatra amin’ny fianarana  momba ny serasera sy fitantanana izany”. Miara-miasa amin’ny teratany vahiny ity oniversite satria tena ilaina fanaovana fampiharana. “ Ny fahaizana teny vahiny dia manokatra lalana ho an’ny kolontsaina,  ny fifandraisana tsaratsara kokoa. Ny Alpha school dia afaka manolotra izany. Mankahery anareo  tanora aho ho avy ao amin’ny Alpha School hianatra izany teny anglisy izany  satria  mino aho fa hanokatra varavarana manerana an’izao tontolo izao ny fianarana teny anglisy”, hoy i Brandon Kindelberger, teratany vahiny mpiara-miasa amin’ny oniversite.

Nirina R.