AIFM MADAGASIKARA: Sambany no nisy seho hafakely tamin’ny 8 martsa

Hafatra maro no azo tsoahina nandritra ny fankalazana ny andron’ny vehivavy nokarakarain’ny fikambanana AIFM (Alliance International des Femmes de France et de Madagascar). Nampiavaka ny 8 martsa 2019 natao tao amin’ny Jardin de Vaniala, Antsakaviro  ny famelabelaran-kevitra momba ny zon’ny vehivavy, ny andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fiarahamonina, ny herisetra mpahazo ny vehivavy sy ny lalàna mifanaraka amin’izany, araka ny fanazavan’ny  sekretera jeneralin’ny AIFM Madagasikara sady tonian-danonana, Andriamamonjy Stella.

Nandray anjara tamin’ny velakevitra  ny mpanolontsainan’ny « Haut-Commissariat des Droits de l’Homme » na HCDH eo anivon’ny Firenena Mikambana monina eto Madagasikara, Omer Kebiwou Kalameu. Ny mpitsara eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antananarivo, Razafiarinelina Tahiana. Nandravona ny resadresaka kosa  Ramatoa Filohan’ny Filankevim-pitantanana eo anivon’ny Consortium National pour la Participation Citoyenne (CNPC) no sady koa Tale Jeneralin’ny orinasa Sofitrans, Ramarosaona Edmondine. Santionany ny hafatra voaray taorian’ny dinika toy ny fanamafisana ny fanentanana ny vehivavy handray andraikitra sy ny fampahafantaran’ny zon’ny vehivavy Malagasy tsy ankanavaka, ny tsy maintsy handefasana ireo zazavavy an-tsekoly mba hananan’ny firenena Malagasy vehivavy tompon’andraikitra sy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena amin’ny ho avy, ny fanentanana amin’ny tsy hisalasalana hanatonana ny tomponandraikitra raha tojo herisetra amin’ny lafiny rehetra…

Ara-java-kanto

 “Sambany nisy seho hafakely toy izao teto Madagasikara dia ny fifandimbiasan’ny velakevitra, ny antsa tononkalo, filatroana ary ny dihy sinoa sy malagasy”, hoy  hatrany Andriamamonjy Stella. Nampiaina ny fanentanana ara-java-kanto ny avy ao amin’ny Havatsa/Upem, Ramananarinoro Voahangy niaraka tamin’ireo ankizikely notarihiny kosa teo ao amin’ny filatroana, naneho ny kanto ihany koa ireo mpilatro matihanina niaraka tamin’i Jane Rahel sy Emy G ary nitondra karazan-dihy malagasy sy sinoa ny solontenan’ny Institut Conficius.

Nanohana ity hetsika ity ny Jardin de Vaniala izay nampiantrano ny lanonana, ny hôtel Colbert, Passion beauté, salon de thé dite, vogue, Clair obscur, Pala, Cnpc, Bodovoahangy création ary indrindra ry zareo avy ao amin’ny HCDH eto Madagasikara ka mankasitraka azy ireo ny AIFM Madagasikara. “Manome toky izahay fa hanao izay tratry ny herinay hanohy hatrany ny asa rehetra momba ny vehivavy ary tsy ho an’ ireo vehivavy eto an-drenivohitra irery ihany izany”.

Lynda A.