AGENCE AMBININTSOA: Miankina ny fahatokisana ny faharetan’ny asa.

Mpiasa an-trano 350 nomena mari-pankasitrahana. Vola mitentina iray hetsy Ariary ny loka lehibe natolotry ny “Agence Ambinintsoa” ny mpiasa an-trano nivoaka avy ao aminy ary naharitra niasa heritaona mahery  tany amin’ny mpampiasa. Rehefa natao fisarihana, tovolahy iray no nibata ny loka goavana. “Fomba fanao isan-taona entina hankasitrahana ny ezaka vitan’ireo  nitady asa an-trano tao amin’ny “Agence  Ambinintsoa”  ny fizarana loka isaky ny faran’ny taona”, hoy ny Mpitantana ny orinasa, Felana Asmine RAMAHAKOTROKA.

Amin’ny maha ny fety ny faran’ny taona sy taombaovao ny andro, kojakoja an-dakozia, lamba fitafy, lamba firakotra, aro orana, akoho amam-borona….no loka nozaraina.  Samy nahazo ny anjarany tamin’ny alalan’ny fisarihana anarana  ireo mpahazo tombontsoa.

Saro-pady

Famporisihana  ireo mpiasa an-trano hanaja ny asany ny fanomezana loka azy ireo isan-taona. Nambaran’ny ramatoa Felana Asmine RAMAHAKOTROKA fa saro-pady ny  asa an-trano noho ny fampidirana olon-kafa amin’ny tokantrano iray. Hatramin’izay nisian’ny “Agence” izay, ny fametrahana fitokisana amin’ireo mitady asa an-trano no fototra ijoroan’ny orinasa. Fomba iray hamporisihana ny mpiasa tsy hangalatra na hihoa-pefy amin’ny asany ny fizarana loka tahaka izao.

Mpiasa an-trano naharitra niasa nandritra ny heritaona ka hatramin’ny fito taona mahery ireto notolorana loka ireto.