AGENCE AMBININTSOA: “Miainga amin’ny kely ny zavatra rehetra”.

“Tsy ho mpanampy na mpiasa mandrakizay”. Na dia mamoaka ankizy hiasan-trano, hiasa  amin’ny sehatry ny fikirakirana ny lakozia… aza ny Agence Ambinintsoa, miezaka  mamolavola azy ireo hanana asa mahaleo tena fa tsy hijanona ho mpiasan’olona foana. Araka ny tarigetran’ny Agence anefa  dia  miainga amin’ny kely ny zava-drehetra. “Na dia kely aza no niandohanao, ho lehibe indrindra no hiafaranao”.

 Tsy nanadino ireo nitady asa tao aminy  ity ivon-toerana ity. Ho an’ireo naharitra tamin’ny asany herintaona no mihoatra dia nozaraina valisoa. Vola mitentina 100.000 Ariary ny loka lehibe indrindra na ho an’ny ankizy nivoaka tao amin’ny Agence Ambinintsoa  izany na ny GS PRO Security. Ankoatra izany, isaky ny  fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, manolotra  kojakoja ilaina ao an-dakozia, lamba firakotra sy fitafiana, kilalao ary vary ho azy ireo ireto farany.

Efa enin-taona namoahana mpiasa  hiasa amin’ny sehatry ny  asan-trano, fikirakirana ny lakozia, fiambenana ny Agence.