AFO SENDIKALY: “Tafahoatra loatra ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana”.

 

Hitory any amin’ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ny  vovonana AFO Sendikaly  vokatry ny fihoaram-pefy ataon’ny  fanjakana. “Tsy  ny eny anivon’ny  sehatra lazaina fa  “madinika” ihany no anjakan’ny kolikoly fa hatrany amin’ny Lapam-panjakana”, hoy Doudou Ratolojanahary, Administrateur Civil sady ao amin’ny  AFO Sendikaly.

Nambarany fa tafahoatra loatra ny kolikoly ataon’ny mpitondra fanjakana. “Raha tsy hilaza fotsiny ny  fanondranana andramena antsokosoko”. Manginy  fotsiny ny fanaovana ankilabao  ny  mpiasam-panjakana, indrindra  eo amin’ny lafiny karama. Mbola nanampy trotraka ihany koa ny fandraran’ny prefektiora  an’ny Sendikan’ny mpiasa mahakasika ny fankalazana ny fetin’ny asa amin’ny alahady 01 May ho avy izao.

“Very hasina tanteraka ny mpiasa Malagasy”, hoy Florentin RAMAMONJISOA, AFO  Sendikaly. Raha ny tokony ho izy “izahay no tokony isafidy ny toerana hanamarihanay ny fankalazana ny fetin’ny asa”.  Nambarany fa tsy fanajana ny fanehoan-kevitra  ny fanapahan-kevitra noraisin’ny prefektiora .

Efa neken’ny kaominina an’Antananarivo Renivohitra ny fangatahana  fahazoan-dalana nataon’ny Vovonan’ny Sendikan’ny mpiasa hanao hetsika ho fanamarihana ny 01 volana  May. Kanjo tamin’ny ora farany, tsy amin’ny toerana mahazatra indray no hanaovana izany . Noho izany, eny amin’ny Kianja an’Alarobia indray no ifampotoana ireo fivondranan’ny  sendikan’ny mpiasa.