AFO SENDIKALY: “Gadrao ireo mpanao kolikoly mba hiverenanan’ny fahatokisan’ny vahoaka”.

Tonga namaly antson’ny AFO Sendikaly avokoa ireo mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eto Madagasikara.  Nisy manam-pahefana ihany koa nanatrika ilay fivoriambe  teny amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina.  Anjatony ny laharan’antso voarain’ny mpikarakara ny tolona ka androany ihany dia hisy indray ny fampiatsoana ireo mpitarika ireo, araka ny fanazavan’i Doudou.

Fanagadrana  ireo tomponandraikitra ambony mpanao kolikoly no antony ny fitakian’ny AFO Sendikaly. Manery ny Filoham-pirenena mihitsy ity farany hanantanteraka izany.