ADY TANY: “Tsy mazava ny nahazoan’ny orinasa COTONA Real Estate ny tany ao Mampikony sy Port Bergé”

Iharan’ny fanenjehana mahery vaika ireo fokonolona ao amin’ny fokontany miisa 10 (Ampampamena, Tsimijaly, Ampandroangisa, Tsararivotra, Andranomadio, Sarodrano, Antsiraka, Antsaronala, Ankijanamanga, Antanakova)  ao Mampikony  sy Port Bergé. Mponina 3000 no mitsoaka sy miafina any anaty ala nanomboka ny 18 janoary 2022 noho ny fanenjehana ataon’ny zandary ireo fokonolona  noho ny ady tany mampifanolana ny mponina nanajary ny tany antsoina hoe “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41” sy ny orinasa COTONA Real Estate (Vondrona SOCOTA) izay milaza fa efa lasany ny tany. Tafakatra 39 no naiditra am-ponja vonjimaika. Talohan’io daty io izany hoe ny 7 desambra 2021 dia “tracteur” fito (07) no nalefa niaraka tamin’ny zandary nanimba ny volin’ireo fokonolona tao amin’ireo fokontany ireo, araka ny fitantaran’ireo solontenan’ny fokonolona, nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 25 febroary 2022 tetsy Ambatonakanga.

Manao bemarenina ny sampandraharahan’ny fananantany

“Tsy mazava ny nahazoan’ny orinasa COTONA Real Estate ny tany”, hoy ireto solontenan’ny fokonolona ireto  satria nisoratra tamin’ny voanjo  atao hoe Wickert Michel io “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41” mirefy 2.787 hektara io. Nanajary ny tany  izy ireo sy ny taranany tamin’ny andro naha teo ny voanjo ary mbola nanohy izany rehefa lasa izy. Rehefa novakiana ny “certificat de situation juridique dia efa vita titra amin’ny orinasa COTONA tamin’ny alalan’ny “acte” laharana 6096 tamin’ny 31 jolay 2007 ny tany mirefy 297 ha (TN 990-DT), ny 290 ha (TN 13-DT) sy ny 219 ha (TN 12-DT) ao amin’io tanin’i Wickert Michel. Nanomboka ny 2012 ny ady teo amin’ny roa tonta. Efa nitory teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Mampikony ny fokonolona ny hanafoanana ny ny titra 990-DT. Namoaka didy sava-ravina ny fitsarana ny 22 Mey 2018 ary nangataka tamin’ny sampandraharahan’ny fananantany sy nandidy azy hanome ny antontan-taratasy milaza ny fomba namindrana ny tany. Efa-taona aty aoriana, tsy mbola nanome izany ity sampandraharaha ity.

Mifanohitra amin’ny didim-pitsarana ny fanapahan-kevitry ny OMC

Ankoatra izany, niady hatrany ny tany  ny fokonolona. Nanome alalana ny mponina ao Andranomadio, Antsiraka, Ampampamena, Tsimijaly, Tsararivotra, Sarodrano ary Ampandroagisa hanohy hamboly ao amin’ny “Lot de colonisation Port Bergé, lot 41”, mandra-pahavitan’ny fombafomba fangatahana ny tany efa nataon’izy ireo, ny fitsarana ambony Mahajanga tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana laharana 187 tamin’ny 7 aprily 2021. Araka ny  voalazan’ny fanambarana nataon’ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena, ny 25 febroary 2022, dia naka fanapahan-kevitra mifanohitra amin’izay ny OMC (Organe Mixte de Conception) ao Mampikony raha ny fitanana an-tsoratra ny 15 sy ny 28 aprily 2021 nifantoka tamin’ny fandaminana ny ady tany.  Voalaza ao anatin’ny fitanana an-tsorana  fa “ny didy navoakan’ny fitsarana ambony laharana 187 dia tsy didy raikitra araka ny voalazan’ny tonian’ny lalàna. Voarakitra ao ihany koa fa mandrara ny mpibodo tany (squatteur) tsy hisitraka ny fambolena ao amin’ny tanin’ny COTONA io didy io. Fampitsaharana ny fiasàna ny tany ao anatin’ny toerana voalazan’io didy io noho izany ny fanapahan-kevitra noraisin’ny OMC ary inoana hoy ny fivondronan’ny fiarahamonim-pirenena fa niainga tamin’io fanapahan-kevitra io no “nahatonga ny zandary niaraka tamin’ny tracteur hanimba ny volin’ireo fokonolona”. “Ny OMC ve izany afaka mandà sy manova ny votoatin’ny didim-pitsarana avoakan’ny fitsarana ambony? Tena miaro ny vahoaka  sy ny fananany tokoa ve ny mpitandro filaminana?”, hoy hatrany ireto fiarahamonim-pirenena ireto.

Nanome toky ny Prezida Rajoelina

Miantso vonjy amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ireto fokonolona ireto ary mangataka ny fampitsaharana ny fanenjehana atao amin’ireo fokonolona ny fivondronan’ny fiarahamonimpirenena. “Mangataka izahay ny hampitàn’ny sampandraharahan’ny fananantany ao Mampikony avy hatrany any amin’ny fitsarana ny antontan-taratasy rehetra  nahazoan’ny COTONA ny titra”, hoy Raparison Eric, mpandrindra Nasionalin’ny Sehatra iombonan’ny fananantany (SIF). Marihina fa nanome toky ny mponina tao Mampikony sy Port Berger ny Filoha Rajoelina Andry tamin’izy nanao fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena fa rehefa lany eo izy dia baiko fotsiny no ataony dia omena ireo fokonolona ny tany iadiavan’izy ireo. Mijanona fampanentanana ihany izany atreto.

 Journal Madagascar