ADY AMIN’NY TSY FANJARIAN-TSAKAFO: Mandray anjara ny bibikely

Manan-karena “protéine” sy calcium” ny valala, raha ny fikarohana nataon’ny Concept Mihary. Vondrona Tanora mikaroka ho an’ny fanajrian-tsakafo ny Concept Mihary. Ahitana “agronome”, “entomologiste” ity vondrona miara-miasa amin’ny ofisim-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (ONN). Anisany lohahevitra novelambelarina nandritra ny androm-pirenena ho an’ny fanjarian-tsakafo (JNN) ny 06 sy ny 07 jolay 2018 tao Antsirabe ny famadihana ireo bibikely toy ny valala, sahobaka, angelikara (grillon) ho fanampin-tsakafo.

Fitandremana

Nambaran’ny tomponandraikitry ny Concept  Mihary, Tolonjanahary Randrianajaina fa tsy ny karazana valala rehetra no fihinana. Ao anatin’ny  sokajina valala azo atao sakafo ny mandrongatra (locusta migratoria capito), ny valala mena elatra. Fihinana tsara noho izany ireny andiam-balala mriongatra  any Atsimo ireny. Mila fitandremana anefa manoloana ny ranom-panafody hamonoana azy ireny rehefa vanim-potoanany.