ADMINISTRATEUR CIVIL Paolo Emilio RAHOLINARIVO : « Tsy manaiky fitondrana ny anaran’ny administrateurs civils amin’ny tolona sendikaly”.

Hanampy ny fanjakana izay mitondra eo ny adidy sy  andraikitrin’ny administrateurs civils. Tsy hery ho entina hanonganam-panjakana izy ireo fa hitondra vahaolana. “ Raha mbola mitohy ny fitondrana ny anaran’ny “administrateurs civils” amin’ny resaka tolona sendikaly dia hametraka fitoriana eny amin’ny fitsarana izahay”, hoy Paolo Emilio RAHOLINARIVO.

Nambarany fa tsy miaraka velively amin’ny AFO Sendikaly ny “administrateur civil”. Noho izany, tsy ara-dalana ny fitondrana ny anarany. “Fanitsakitsahana ny hasin’ny  “corps administrateurs civils” mihitsy izao ataon’ny sasany izao”.