Fanambarana avy amin’ny filohan’ny HCC

Mba hanazavana ny saim-bahoaka manoloana ny famoahan’ny tsirairay ny heviny sy hisian’ny fitoniana eo ampiandrasana ny didim-pitsaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana na HCC, Haute Cour Constitutionnelle dia namoaka izao fanambarana izao ny filohan’ny HCC.

 

HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

N°07-15/P/HCC/COMM FILAZANA

Mba ho fanajana ny Zon’ny Olom-pirenena hahafantatra (droit à l’information), dia ampahafantarina ny besinimaro fa manohy hatrany ny fizahana lalina ny taratasy napetrak’ireo Solombavambahoaka miampanga sy mangataka ny fanonganana ny Filoham-pirenena, tamin’ny alarobia 28 may 2015, ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, ao anatin’ny fanajana ny Lalana Fototra sy ny lalana velona.

Araka izany sy mba ho fanajana ny zon’ny fiarovana, izay anisan’ny zo fototra arovan’ny Lalam-panorenana, voafaritra ao amin’ny andininy faha- 13 andalana faha-enina, dia nampahafantarin’ny Fitsarana Avo, ny Filohan’ny Repôblika avy hatrany, araka ny paik’ady voafaritra, ny fisiana sy ny votoatin’io taratasy famakiana ady miampanga azy io.

Nametraka ny rijan-teny fiarovan-tenany ny Filohan’ny Repôblika tamin’ny alalan’ireo Mpisolovava azy ny Talata 02 jona lasa teo.

Ny Alarobia 03 jona kosa dia nisy Mpisolovava efatra mianadahy nametraka taratasy fampahafantarana ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana fa hirotsaka hiaro ny tombotsoan’ ireo Solombavambahoaka Mpitory amin’izao raharaha izao.

Ho fampahafantarana ny mpitory sy ho fanajana ny Zon’ny Mpisolovava ary ao anatin’ny fandalinana ny raharaha ihany koa dia nomena ireo Mpisolo vava nosafidin’ireo Solombavambahoaka Mpitory ireo ny dika mitovy ny antontan-taratasin’ady.

Nomena fotoana izy ireo mba handinihiny izany ary koa hametrahany, raha toa ka misy izany, ny fehin-teny.

Isaorana isika miandry am-pilaminana sy mamela ny Fitsarana Avo hiasa malalaka ao anatin’ny fitoniana ho Tombotsoa Ambonin’ny Firenena.

Natao androany, faha-04 jona 2015

NY FILOHAN’NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAM-PANORENANA

RAKOTOARISOA Jean-Eric

Ambohidahy• BP 835 • ANTANANARIVO 101 (MADAGASCAR)
Tél : 261 20 22 661 66

Loharano

http://www.hcc.gov.mg/autres/communique-du-04062015/