HVM : « Tsy manaiky ny fanosoram-potaka ny fitondrana ankehitriny »

Nihaona niaraka tamin’ny mpanao gazety  ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara (HVM) ny alarobia 16 desambra lasa teo. Fanazavana mahakasika ny fihaonam-be Nasionaly ny mpikambana ao anaty ny antoko amin’ny 19 sy 20 Desambra 2014 no navoitra tamin’izany.  Mpandray anjara 3500 no andrasana  amin’ity hetsika ity ka hisy solon-tena avy isaky ny faritra sy ny renivohi-paritany. Ho dinihina mandritry ny fihaonam-be ny  vina ny antoko amin’ny taona 2015. Hijerena todika ny fizotran’ny antoko nandritra ny enim-bolana nisiany ihany koa  io fotoana io.

Nanambara ny heviny ihany koa ny antoko mahakasika ny toe-draharaham-pirenena . Manaiky ny fampihavanam-pirenena ny mpanara-dia ny filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA fa manda kosa ny fampiasana an’i Marc RAVALOMANANA ho fitaovana hanakorontanana ny fitondrana.

Noho izany, tsy manaiky ny  fanasoram-potaka ataon’ny vondrona politika hafa ny antoko HVM.

Lynda A.