2015 : ankizy tsy ampy taona enina no maty niharan-doza tato amin’ny faritra Boeny

Hetsika maro no nanokafana ny Herinandro maneran-tany ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana tao Mahajanga renivohitry ny Faritra Boeny.

 

Ankizy tsy ampy taona enina no maty niharan-doza ny nanomboka ny fiandohan’ny taona 2015 ka hatramin’izao” hoy ireo mpitatitra rezionaly ao amin’ny Faritra Boeny. Fanambarana nataon’ireo mpitatitra tamin’ny fanokafana ny “Herinandro maneran-tany ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana” tao Mahajanga ny alatsinainy 4 mey 2015.

Ireo mampiasa ny zotra nasionaly kosa dia nilaza fa dimy ny lozam-pifamoivozana nitranga ka ny telo dia nahafaty olona avokoa tamin’ity taona ity raha toa ka folo no fitambaran’ny lozam-pifamoivoizana nitranga nandritra ny taona 2014.

 

Nisy ny fifaninanana niompana tamin’ny lohahevitra “Sauver la vie des enfants contre les accidents routiers” na “arovy amin’ny lozam-pifamoivoizana ny ankizy”. Mpianatra roa nifaninana tamin’ny famaliana ny fanontaniana mikasika ny lohahevitra naroson’ny mpikarakara no notolorana lelavola 30 000 ariary avy.

 

Diabe natao tao Mahajanga

Nisy ny diabe ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana izay nandraisan’ny sekoly miisa 206, ny manam-pahefana eto an-toerana, ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fizahantany, Fitaterana ary ny fahafantarana ny toetrandro, ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny an’ny Asa-tànana sy ny Kolontsaina, ary ny an’ny Mponina. Nandray anjara koa ny mpitandro ny filaminana, ny fikambanan’ny mpitatitra nasionaly sy rezionaly. Mpianatra telo no namaky ny “Fanambaran’ny ankizy mikasika ny aro lozan’ny fifamovoizana”. Ireo no nanamarihana ny fanokafana ny “Herinandro maneran-tany ho an’ny aro lozan’ny fifamoivozana” teto Mahajanga. Haharitra hatramin’ny 10 mey 2015 ny hetsika ho fanentanana, fanairana ny tsirairay.

 

Ho an’ny Faritra Boeny manokana, dia nisy fanapahan-kevitra avy amin’ny Lehiben’ny Faritra Boeny Saïd Ahamad Jaffar hisorohana ny lozam-pifamoivozana amin’ny làlam-pirenena faha4, izay niaraha-namolavola tamin’ny Faritra Betsiboka. Noforonina ireo toeram-pialan-tsasatra eo ho an’ireo mpitondra taksiborosy zotra nasionaly avy any Antananarivo eo Ambondromamy ary eo Mahatsinjo ho an’ireo avy aty Mahajanga. Tsy maintsy maka aina eo izy ireo mandritra ny 30 minitra fara-fahakeliny.

 

Izany no natao dia noho ny fahitan’ireo tompon’andraikitra ireo loza nifanesy nahafatesana olona maro ny volana fevrie 2015 teo.

 

Nanangona Ravaoarisoa Ginette