VOVONAN’NY ZANAKY BETROKA: Nampiseho ny takona hatramin’izay

Manana ny maha izy azy ny distrikan’i Betroka. Takona izany hatramin’izay satria ny asan-dahalo sy ny halatr’omby no novoizina. Nanapa-kevitra ny vovonana mampivondrona ny zanaky ny distrika sy ireo solontenan’ny mponina mbola mipetraka any an-toerana  ary ireo teknisianina fa hanohana kandida amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Mikambana ao anatin’io vovonana io ny “association des jeunes pour le développement du Betroka”, ny ekipan’ny « Initiative pour l’Emergence de Madagascar (IEM) de la région Anosy ». Ny kandida avy any amin’ny distrikan’i Betroka, Raobelitsirofo Vôjanahary no niantefan’ny safidin’izy ireo. “Izy no hatokisanay hitondra ny teninay eny amin’ny Antenimierampirenena”, hoy mpitondra tenin’ny vovonana, Raholinarivo Vôjanahary.

Araka ny fanazavan-dRaholinarivo Paolo fa anisany mamatsy vary, mangahazo, voanjo be indrindra ny faritra Atsimo ny distrikan’i Betroka. Nilaza ny kandida Raobelitsirofo Vôjanahary fa hanova ny tantara ny tenany ka tsy ny fandriam-pahalemana intsony no hampalaza ny Betroka fa ny famokarana.

Lynda A.