VONDRON’ORINASA ETO MADAGASIKARA (GEM): «Sahirana ara-bola ny fanjakana»

Tsy ampy ny fidiram-bolan’ny fanjakana, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Vondron’orinasa eto Madagasikara (GEM) Rajaona Thierry, ny alakamisy 11 Mey 2023 teny Ambohijatovo. Nilaza izy fa noho ny antony maro samihafa no mahatonga fanjakana sahirana ara-bola. Ohatra amin’izany hoy izy ny olana eo amin’ny kaompania mpamatsy solika. « Ny fanjakana no mametra ny vidin’ny solika ho an’ny mpanjifa. Tsy araka ny tokony ho izy amin’ny vidin’ny solika maneratany anefa ny vidiny ka nanaiky ny fanjakana fa hamatsy vola hamenona ny banga. Noho fahasahiranana ara-bola eo aminy anefa dia tsy nanome famatsiana ara-bola an’ireo kaompania mpamatsy solika izy. Nanapakevitra  ny kaompania fa tsy andoa ny hetra tokony ho aloany  ho solony  tsy fahazoana izany», hoy i Rajaona Thierry raha namintina ny zava-misy. Raha ny vaovao tamin’ny 16 martsa 2023 dia nifampiresaka ny vondron’orinasa mpamatsy solika eto Madagasiakra (GPM) sy ny Praiministra sy ny ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola. Tapaka tamin’izany fa hiverina handoa ny hetra tokony alohany GPM ary hanefa ny tombontsoa tokony ho azony ny fanjakana.

Sambany teo amin’ny tantara

 Anisany antony faharoa mahatonga ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’ny fanjakana ihany koa ny resaka lavanila. «Latsaka ambany dia ambany ny fanondranana lavanila tamin’ity taona ity. Tsy mbola nisy tao anatin’ny tantaram-piainan’ny lavanila teto Madagasikara izany. Hany ka nihena vola vahiny niditra», hoy izy. 2000 taonina isan-taona ny lavanila ahondran’i Madagasikara.  «Tsy mahatratra ny ampahatelony akory izany tamin’ity taona 2023 ity».  Tsiahivina fa  nifampiresaka  ny sehatra tsy miankina sy  ny Filoham-pirenena  mba hampiakarana ny karama farany ambany ho 250.000 Ariary. Tsy afaka anome izany ny orinasa raha ho an’ny taona 2023 fa mety ho tanteraka izany amin’ny taona 2024, araka ny fanazavan’ny Filohan’ny GEM. Nambarany fa nanolo-kevitra ny Filoham-pirenena ihany ny sehatra tsy miankina hanome famatsiana ara-bola ho mba ahafahana mampiakatra io karama farany ambany io saingy tsy afaka manao izany ny fanjakana noho ny fahasahiranana ara-bola.

Lynda A.