VONDRONA PARLEMANTERA HVM: Velom-pisaorana an’i Hery RAJAONARIMAMPIANINA.

Mahatsapa ny vondrona parlemantera HVM ao amin’ny Antenimierandoholona  fa tafavoaka  anaty aizana ny firenena Malagasy  taorian’ireny fandraisana fivoriambe iraisam-pirenena nifanesisesy teto amintsika ireny. Tsy tontosa ny COMESA, frankofonia, ny  APF raha tsy teo  ny finiavan’ny Filoha Hery RAJAONARIMAMPIANINA tohanan’izy ireo. “Namerina avo dia avo an’i Madagasikara  avokoa ireny”, hoy ny Filohan’ny vondrona parlemantera  HVM, Thierry RAVELOSON. Nanatevina izany ihany koa  ny nandrombahan’ny ekipam-pirenena Malagasy ny tompondaka eran-tany ho an’ny taranja tsipy kanetibe.

Ankoatra izany, nambaran’izy ireo fa niverina indray ny fitokisan’ny vondrona iraisam-pirenena taorian’ny “Conférence des bailleurs et des investisseurs” natao tany Paris. Na dia betsaka aza ny fanakianana  nataon’ny   antoko mpanohitra, ny fikambanana samihafa,  tsy nitarain-tana-miepaka ny Filohan’ny Repoblika.  Noho izany, velom-pisaorana azy ny vondrona parlemantera HVM.