VONDROM-PIRENENA MPANELANELANA: Teboka 4 lehibe no fototry ny krizy miverimberina eto Madagasikara ka mila dinihina an-databatra boribory

 Mijoro ho mpanelanelana mba handaminana ny tsy fitovian-kevitra sy krizy miverimberina eto Madagasikara no antom-pisian’ny Vondrom-pirenena Mpanelanelana (GNM). Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny 14 novambra 2023, teny Ankadivato ny GNM. Nambaran’ireo mpikambana, ahitana Ray aman-dreny efa nitàna andraikitra ambony teto amin’ny firenena fa rehefa nihaona tamin’ny hery velona isan-tsokajiny izy ireo dia samy nilaza fa misy lesoka lalim-paka tokony harenina. Nandefa taratasy tany amin’ireo kandida ho Filoham-pirenena ihany koa ny fikambanana, ny 10 Novambra 2023. Nasaina namosaka ireo tsangan-kevitra ijoroany izy ireo. Voafaritra tamin’izany fa teboka efatra (4) lehibe no fototry ny olana eto amin’ny firenena: ny zom-pirenen’ireo mpilatsaka ho fidiana Filoham-pirenena eto Madagasikara, ny  fanajana ny lalàna manan-kery, ny fangaharaharan’ny zotram-pifidianana ary  ny fitanilan’ny fanjakana. Tsy tokony ho safosafoana fotsiny ireo teboka ireo fa tokony ho dinihina an-databatra boribory hitadiavana vahaolana maharitra mba tsy hiverimberina matetika eto amin’ny firenena ny krizy izay mitondra fahantrana hatrany ho an’ny vahoaka, araka ny fanambaran’ny GNM.

Lynda A.