VAM : « Foire aux affaires », hetsika hampivoarana ny distrikan’Ambohidratrimo.

Fikambanam-behivavy niorina tamin’ny volana jona 2014 ny VAM na Vohitra Ambohidratrimo Mivoatra. Nandritra ny herintaona niforonany izay, ny « Foire aux affaires » na hetsika ara-barotra mampivondrona ireo orinasa madinika,toy ny mpanao asan-tanana, mpanamboatra sakafo  artisanaly, mpamboly na hafa no tena nampiavaka ny VAM. « Isaky ny sabotsy voalohan’ny volana dia misy foana ity hetsika ity ka manoloana ny “Espace Hajatiana” no anatanterahina izany », hoy ny Filohan’ny VAM, Helisoa RASEHENONANDRASANA.

Natao ho an’ny vahoaka monina manodidina ny  distrikan’Ambohidratrimo, Ambohibao Antehiroka, Talatamaty, Ivato fa tsy mahasakana ny hafa ho avy anefa izany ny « Foire aux affaires ». « Tsy voatery hiakatra any an-drenivohitra no hividy izay ilaina », hoy izy.

Amin’ity volana desambra ity, natao indroa mihataona ny hetsika manoloana ny fetin’ny faran’ny taona. Androany ny andiany voalohany ary ny sabotsy 19 Desambra ny andiany faharoa. Maimaim-poana ny fidirana , ny entana, sahaza ny fahefaha-mividy ny  rehetra. Marihina fa manomboka amin’ny 6ora sy sasany no azo tsidihan’ny rehetra ny foara ary mandra-paharivan’ny andro. Ho hita ao avokoa ny kojakojan-dakozia, sakafo, asan-tanana vita Malagasy, vokatry ny tany…

Lynda A.