ÛMMI MADAGASCAR: “Misy fiovana ny rindran-damina fiatrehana ny volana masina Ramadany”

Tombony lehibe ho an’ny tsimokaretina COVID 19 ny fifangaroana.  Noho ny tsy fahitana ny singam-bolana omaly, alakamisy 23 aprily 2020 dia manomboka rahampitso sabotsy 25 aprily 2020  ny voalohany ny volana masina Ramadany, araka ny fanazavan’ny  filohan’ny fikambanan’ny mpiray finoana ÛMMI de Madagascar, Sheikh Rijaly. Miarahaba ny olombelona rehetra tsy ankanavaka ny tratran’izao asaramanitra izao ny tenany ary “mirary ramadany sambatra ho antsika rehetra ary enga anie samy ho tahian’i Tsitoha, samy hahavita ny adidintsika antsakany sy andavany mandritra izany volana masina ramadany izany ary mirary ho an’ny firenentsika hivoaka mpandresy amin’ny valanaretina COVID 19”.

Manoloana ity valanaretina coronavirus ity dia misy fiovana rindran-damina fanao isan-taona, fiatrehana ny volana masina Ramadany, araka ny fanambarany hatrany. “Raha hatrizay nisy hetsika maro isan-karazany toy ny fiaraha-mivavaka, fampianarana, fanaovana asa sosialy, fiaraha-mivavaka amin’ny alina, fiaraha-misakafo. Na dia nanome karazana ampahana faveur ny fitondram-panjakana, 15 andro fahatelo afaka mivorivory raha latsaky ny 50 dia azo raisina fa tsy ao anatin’ny fivorivoriana tanteraka izany”, hoy izy. Nohamafisin’i Sheikh Rijaly fa anisany tombony lehibe ho an’ity tsimokaretina ity ny fifangaroana ka vavaka isan-tokantrano hoy izy no atao fa andian’olona vitsivitsy, mety mifandimby no afaka manao fiaraha-mivavaka rehefa tsy maintsy atao izany.

Lynda A.