Ny alahady no nahatsiarovana ny nahamay ny Rovan’Antananarivo. Fifandrifian-javatra tokoa ve ny zavatra nitranga tety Itaosy? Androany tamin’ny 02 0ra sasany maraina nisy fivarotan-kazo kilan’ny afo. May tao avokoa ny milina fampiasa ary lavenona sisa ireo hazo sarobidy izay mitentina an-tapitrisa maro. Anisany niharan’ny famaizana ihany koa ny trano fanaovam-bolo teo akaikiny. Izay zaka bataina sisa no hany voaavotra. Raha ny vaovao voaray, court-circuit no nahatonga ny firehetana ka nihititra be izany satria mbola tsy tonga ny sampana mpamonjy voina. Adiny iray taty aoriana vao nigadona teny amin’ny betavoahangy itaosy , toerana nahitana ny haitrano izy ireo. Rehefa niantso azy ireo ny olona iray dia tsy maintsy nanao fanekena handoa ny lasantsy ilaina amin’ny famonoana ny afo ». Adiny ny efatra teo vao voafehy tanteraka ny afo.
TRANO MAY TETY ITAOSY: Kila firehitra avokoa ny hazo sarobidy sy ny milina.
Related Content
Employabilité des jeunes : Le numérique ouvre de nouvelles pistes face au chômage
by
Lynda ANDRIATSITONTA
24 août 2026
Violences basées sur le genre à Madagascar : MANONGA renforce la prise en charge des victimes dans quatre régions
by
Lynda ANDRIATSITONTA
30 juillet 2026
Série FAMATO sur StarTimes : une immersion au cœur de la culture et des traditions malgaches
by
Lynda ANDRIATSITONTA
30 juillet 2026
Histoire de l’art malgache : trois projets de recherche primés par la Bourse Yavarhoussen–INHA 2026
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 juillet 2026
Réforme administrative : une nouvelle Facilité d'Assistance Technique pour la Refondation lancée à Madagascar
by
Lynda ANDRIATSITONTA
23 juillet 2026