Nandritra ny tolom-panafahana ny 29 Martsa 1947, isan’ireo Malagasy niharan’ny fanenjehana sy fampijaliana i Rafaralahy Paul. Na dia nogadraina sy nitondra takaitra aza izy, dia nijanona ho mariky ny herim-po sy ny fitiavan-tanindrazana, lova mbola velona amin’ny taranany ankehitriny.
Ny marainan’ny 29 martsa 1947, tonga tao Anara, tanàna iray ao amin’ny kaominina Ampangabe, distrikan’i Lalangiana, faritra Matsiatra Ambony ny miaramila frantsay sy ireo senegaly. Nanao sava hao ny tanàna, nikaroka ireo mpikomy malagasy manohitra ny fanjanahantany frantsay. Anisan’ireo olona tsy tratra tao an-tanàna i Rafaralahy Paul fa nandeha niafina niaraka tamin’ny vady aman-janany sy ny mpiara-monina aminy tany anaty ala. Ny andron’iny ihany dia tratra izy sy ireo namany satria nahita setrok’afo nivoaka tao anaty ala ireo miaramila frantsay ka nanaradia izany. Nentina tany Mahasoabe, ao amin’ny distrikan’i Vohibato, i Rafaralahy niaraka tamin’ny lehilahy roa.
Fampijaliana sy fahajambana tany am-ponja
Be mpahalala i Rafaralahy Paul noho ny andraikitra nosahaniny tao amin’ny fiangonana Ambodivaronina sy amin’ny maha tomponandraikitra ara-panjakana (lehiben’ny tanàna) azy tao Anara. Ny 30 martsa 1947 vao mangiran-dratsy dia nisy ramatoa tsara sitrapo no nampandre ny Mopera misahana ny tompom-paritany fa misy olona maro “atao lasibatra” ao amin’ny “Ragôva” na Governora ka ao anatin’ny lisitr’ireo ho vonoina i Rafaralahy Paul. Nanatona ny Governora tamin’izany io Mopera io ka nangataka taminy mba tsy hamonoana an’i Rafaralahy. Nogadraina izy taorin’izay. Naharitra enim-bolana izy no tany am-ponja. Jamba izy rehefa nivoaka tao. “Niharan’ny daroka sy vono izy [ tany am-ponja] ka izay no nitarika ny fahajambany”, hoy i Rafaralahy Fabien, zafikeliny. Roa vavy ny zanak’i Rafaralahy Paul ka ny faravavy no maman’i Fabien. Notantarain’io mamany io taminy ny zava-nisy niainan’ny dadabeany. 67 taona ny dadabeany tamin’izy voasambotry ny miaramila frantsay. Nilaza i Fabien fa nohampangaina ho mpikomy ny dadabeany ka izay no nisamborana azy. Teo amin’ny faha-88 taonany io dadabeany io no nindaosin’ny fahafatesana.
Ny tolom-panafahana 1947 sy ny herisetra nataon’ny mpanjanaka
Tsiahivina fa ny 29 martsa 1947 no nipoaka ny fikomiana ho fanoherana ny fanjanahatany frantsay noho ny antsojay sy asa fanadevozana natao tamin’ny Malagasy. Ho fitakiana ny fahaleovantenan’i Madagasikara ihany koa no tanjon’ny fikomiana nataon’ireo maherifo. Ny alin’ny 29 martsa no voalaza fa nisian’ny ady mahery vaika teo amin’ireo mpitolona sy ny frantsay mpanjanaka. Tany Manakara sy Moramanga no toerana nahery vaika nisian’ny fifandonana. Nandray fepetra mafy ny fitondrana frantsay tamin’ny fanoherana ka izay no nahatonga ny fanenjehana sy fanagadrana olona maro. Anisany famaizana nanamarika ny tolom-panafahana 1947 ny nitifirana ireo “wagons” telo izay nanidiana ireo mpikomy nogadraina miisa 166.
Fitiavan-tanindrazana mbola mitohy amin’ny taranany
Nampita tamin’ny taranany ny fitiavan-tanindrazana i Rafaralahy Paul. Notohizan’izy ireo tamin’ny endrika hafa izany fitiavan-tanindrazana izany. Ho an’i Rafaralahy Fabien, zafikeliny dia ny fiarovana ny zavaboahary no nanehoan’izany. “Efa rà mikoriana ato anatiko ny fitiavan-tanindrazana sy ny harena voanjanahary”, hoy izy.
Nanomboka tamin’ny fahazazany Rafaralahy Fabien no nitia sy niaro ny tontolo iainana, nanentana ny namany hitandrina tsy andoro ala. Nandany ny fahatanorany tamin’ny fiarovana zavaboahary ihany koa Fabien. Vao 18 taona monja izy dia efa nitana andraikitra tao amin’ny Vondron’Olona Ifotony (VOI) Mitsinjo, mitantana ny ampahany ny faritra arovana Tandavanala Ambositra Vondrozo (COFAV) ao Ampangabe. Nahavita namboly hazo teo amin’ny velarantany valo (8) hektara, tao Anara, akaiky ny toeram-ponenany izy teo anelanelan’ny taona 2001 ka hatramin’ny taona 2023. “Rakotra bozaka sy vatovato io toerana io taloha. Ankehitriny, ilay vatobe sisa no tazana fa rakotra ala avokoa izy rehetra”, araka ny fanazavany. Lasa Filohan’ ny VOI Mitsinjo izy ny taona 2012 ka mbola mitarika izany hatramin’izao taona 2025 izao. Nambarany fa toerana nipetrahany vazaha mpanjanaka tao Ampangabe. “Nisy vazaha antsoina hoe Le Roi niasa taty, nampitrandraka volamena sy nampanao hazo. Taty avokoa no nangalana ny hazo nanaovana ny tranom-panjakana tao Fianarantsoa tamin’izany”, hoy izy. Toerana mbola rakotr’ala sy manankarena karajavamananaina ny kaominina Ampangabe amin’izao fotoana izao.
Journal Madagascar