TETIKASA PRCCC: Sady miatrika ny fiovan’ny toetr’andro no mihatsara ny fari-piainana

« Firenena toa an’i Madagasikara no antenain’ny firenena mandroso amin’ny fiadiana ny fiovan’ny toetr’andro. Tetikasa maro no mahazo famatsiam- bola. Anisan’izany ny  tetikasa PAGE/GIZ izay vatsian’ny vondrona eraopeanina vola ». 

 Tsy vitan’ny fambolen-kazo ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Ho an’i Madagasikara manokana dia voasokajy ho firenena marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro  izay miseho amin’ny alalan’ny fiakaran’ny maripana, ny loza voanjanahary mahery vaika, ny tsy fahampian’ny orana, ny fikorontanan’ny tetiandrom-pambolena… Vokatry ny asa ataon’ny olombelona ihany no mahatonga izany toy ny doro tanety, doro ala, fandripahana ny ala sy ny maro tsy voatanisa.

Ho fanampiana ny mponina hiatrika izany indrindra ny PRCCC na “tetikasa fanamafisana ny fahaizamanao  sy ny takiana amin’ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ho an’ny fampandrosoana maharitra”. Tafiditra ao anatin’ny  fandaharan’asa fanohanana ny fitantanana ny tontolo iainana (PAGE) eto Madagasikara, iantsorohan’ny GIZ miaraka amin’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (MEDD) ity tetikasa ity. Ny Vondrona Eraopeanina sy ny fanjakana Alemana amin’ny alalan’ny ministera federalin’ny fiarahamiasa ara-toekarena sy fampandrosoana (BMZ) no namatsy vola ny tetikasa nanomboka ny taona 2016 ka hatramin’ny  taona 2020.

Zava-kendren’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC ny fiarovana ny harena voanjanahary ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana, fampihenana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro, fampiakarana ny fari-piainan’ny mponina. Mba hanatrarana ireo  tanjona ireo dia mizara dimy ny sahan’asa tanterahin’ny tetikasa amin’ny faritra efatra eto Madagasikara (Diana, Boeny, Atsimo Andrefana, Analamanga). Anisan’izany ny fiarovana sy fampiasana maharitra ny harena voanjanahary izay mikendry ny hampiakatra fidiram-bolan’ireo mpahazo tombontsoa; ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana momba ny angovo azo havaozina; ny fandrafetana ny drafitra fanajariana ny tany eny anivon’ny kaominina sy ny faritra; ny fanavaozana ny politika sy paikady hiarovana ny tontolo iainana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fanamafisana ny fahaiza-manao momba ny fiovan’ny toetr’andro. Miara-miasa akaiky amin’ny fanatanterahana ny asa rehetra ny sampandraharaham-panjakana, ny fiarahamonimpirenena, ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nitsidika ny vokatry ny sahan’asan’ny PRCCC sy ny PAGE/GIZ tao amin’ny faritra Boeny niaraka tamin’ireo teknisiana avy amin’ny tetikasa ireo mpanao gazety avy eto Antananarivo sy Toliary miisa 50 ny 27 ka hatramin’ny 5 oktobra 2019. Narahina fampiofanana fanamafisana fahaiza-manaon’ ny mpanao gazety momba ny fiovan’ny toetr’andro izany.

Distrikan’Ambato Boeny

Manampy amin’ny fanamafisana ny fahaizamanao hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro ny tetikasa PRCCC. Ao anatin’izany ny fanohanana ny rojom-piharian’ ireo mponina mivelona amin’ny harena voanjanahary. Nahazo tosika avy amin’ny PAGE/GIZ ny GAR (Groupements des Adhérants au Reboisement) ao Andranofasika. Fikambanana mpamokatra saribao avy amin’ny fambolen-kazo izy ity. Araka ny fanazavan’i Mahavatra Fabrice, mpanolontsaina ara-teknika ny fitantanana maharitra ny harena voanjanahary ao amin’ny PAGE/GIZ, faritra Boeny fa ny mpikambana ihany no mamboly ny hazo hahodina ho saribao.

Nilaza ihany koa ny filohan’ny GAR, Andriamahatratra Falihery fa nanohana azy ireo ny PAGE nanomboka tany amin’ny fambolen-kazo, ny famokarana saribao ka hatrany amin’ny famarotana ny vokatra ary nanampy betsaka tamin’ny fidiram-bolan’ny mpikambana izany. Ankehitriny, tafakatra 80 ny isan’ny mpikambana raha toa ka 20 tamin’ny voalohany. « Ny taona 2009 no nanomboka ny fambolen-kazo ary 80 hektara no efa voavoly kininina. Ny taona 2016 kosa ny fitrandrahana ny ala voalohany », araka ny fanazavany hatrany. Ankoatra izany dia nandalo fiofanana momba  fanamboarana fatana saribao nohatsaraina ny GAR. « Raha oharina amin’ny famokarana saribao nentim-paharazana dia tsara ny vokatra taorian’ny fampiofanana satria raha 10 % isaky ny hazo iray no saribao azo dia  niakatra 20 % izany sady nihatsara ny vokatra”, hoy ny mpitarika ny  fikambanana. Misedra olana ireto mpamokatra saribao ao Andranofasika ireto amin’izao fotoana izao. Nambaran’i Andriamahatratra Falihery fa miitatra any amin’ny faritra hambolen’izy ireo hazo ny doro tanety ataon’ny hafa. Eo ihany koa ny fisian’ireo mpangalatra hazo amin’ny alina.

Ankoatra izany, mahazo tombontsoa avy amin’ny PAGE/GIZ ny OPCI – TFI Soamiray.  Ao Andranofasika ny foiben’ity fikambanan’ny kaominina mitovy fijery amin’ny fitantanana ifotony sy ny fiarovana ny tontolo iainana ity. Sehatra iray iarahany roa tonta miasa ny fandrafetana ny  drafitra fanajariana ny tany eny anivon’ny kaominina (SAC), ny fitantanana ny manodidina ny valan-java-boahary Ankarafantsika.

Loza ho an’ny valan-java-boahary ny afo ampiasaina amin’ny fangalana tantely any an’ala. Ho fisorohana izany indrindra ny tosika ho an’ny seha-pihariana tantely ao Ampombilava. Tohiny ny asa ataon’ny PAGE/GIZ ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny izy ity ka nomena fiofanana momba ny fiompiana tantely manomboka any amin’ny fisamborana ny renin-tantely, ny fanamboarana trano tantely, ny fivarotana ny vokatra ireo mpahazo tombontsoa miisa 150. Nambaran’ny filohan’ny kaoperativa Avotra, Rameva Kasy fa manampy amin’ny fidiram-bolan’izy ireo ny fiompiana tantely. Isaky ny roa ka hatramin’ny telovolana no miakatra ny vokatra. 15 litatra isaky ny tranon-tantely no azo ary 10.000 Ariary isaky ny litatra ny vidiny ambongadiny ary 15.000 Ariary ny antsinjarany.

Tsy afa-misaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny toby famantarana ny toetr’andro satria manampy betsaka amin’ny fahazoana antontam-baovao. Lafo dia lafo anefa ny vidin’iray amin’izy ireny ka ho fanohanana ny foibe famantarana ny toetr’andro (DGM) dia nanolotra toby famantarana ny toetr’andro miisa telo ao amin’ny faritra Boeny ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC. Ny 2014 no natsatoka  tao amin’ny valan-java-boaharin’Ankarafantsika ny iray amin’izany ka ny MNP (Madagascar national Parks) no mitantana azy ary mandefa ny antontam-baovao any amin’ny foibem-paritry ny famantarana ny toetr’andro Boeny sy Antananarivo isaky ny faran’ny volana . Rehefa voakirakira izany dia mandefa ny vinavinan’ ny mety ho toetry ny andro any amin’ny MNP indray ny Météo Malagasy. Nanamarika ny fahazoana ity fitaovana ity ny fanamorana ny famonoana afo tao Ampombilava, iray volana lasa. “Tamin’ny alalan’ny antontam-baovao no nahafantarana ny fitsokan’ny rivotra ka nampiasaina tamin’ny paik’ady namonoana  izany ka tao anatin’ny fotoana fohy dia maty ny afo. Roa hektara no may”, hoy ny tomponandraikitra mpitahiry ny MNP amin’ny fitantanana ny Ankarafantsika, Razaiarimanana Jacqueline. Nanampy fanazavana ny mpanolontsaina ara-teknika avy amin’ny PRCCC, Randrianarivelo Rolland Maminiaina fa fanomezana lanja ny antontam-baovao momba ny toetr’andro ity fanohanan ity avy amin’ny GIZ ity.“Rehefa feno ny antontam-baovao dia marina ny vinavina momba ny toetr’andro”.

Distrika Marovay

Fitaovana hitadiavana famatsiam-bola ho an’ny kaominina ny drafitra ifotony fanajariana ny tany (DIFT na SAC). Sahan’asa iray ao amin’ny tetikasa PRCCC hampandrosoana ny kaominina ny famolavolana SAC. Nahazo tombontsoa tamin’izany ny kaominina Ankazomborona Distrika Marovay. Nanomboka ny 2017 ny kaominina no namolavola ny drafitra ary ho enti-miasa mandritra ny 15 taona io fitaovana io, araka ny fanazavan’ny lefitra faharoa ny ben’ny tanàna, Celestin. Voafaritra ao anatin’ny  SAC ireo tetikasa azo atao amin’ny kaominina toy ny sekoly, lalana, tohan-drano fa indrindra  ny tetikasa mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro toy ny fambolen-kazo, “tetikasa maitso”…

Roa taona lasa izay, nampidirina tao amin’ny fandaharam-pianarana tao amin’ny EPP Ankorefobe, kaominina Ankazomborona ny fiovan’ny toetr’andro. Kilasy fahatelo sy fahaefatra no misitraka izany. Noho ny fiarahamiasa amin’ny PAGE/GIZ dia nofanina ny fomba fampitàna izany isaky ny taranja ireo mpampianatra ary nomena fampitaovana enti-mampianatra momba ny tontolo iainana (Kit MAD’ErE). “Efa mizaka ny fiantraikany ny fiovan’ny toetr’andro ny kaominina misy anay. Miseho amin’ny alalan’ny tsy fahampian’ny rano izany ka mampidina ny tahan’ny vokatry ny fambolena. Miantraika any amin’ny fari-piainan’ny tokantrano anefa izany ary mahatonga ireo zaza mitsoaka an-daharana”, hoy ny talen-tsekoly Rasoamanampy Sahondra. Nambarany fa manampy amin’ny fambolena toe-tsaina hiaro sy hahay hikolo ny tontolo iainana, hamboly hazo ny fampianarana ny ankizy dieny mbola kely ny fiovan’ny toetr’andro.

Distrika Mahajanga II

Niteraka voka-dratsy ho an’ny fiveloman’ny mponina ao ny kaominina Baonamary, distrika Mahajanga II ny fikatonan’ny orinasa mpamokatra simenitra sy fiompiana trondro tamin’ny 2003. Ny famokarana saribao no hitan’izy ireo ahazoam-bola ka nirohitra nandripaka ny ala honko tao amin’ny kaominina izy ireo. Vokany, nitotongana ny vokatra drakaka sy trondro. Nambaran’ny filohan’ny vondron’olona ifotony (VOI) Fitaratra, Randriamanana Arthur mitantana ny toerana famindram-pitantanana ireo harena voanjanahary  azo havaozina ao amin’ny fokontany Amboanio fa zara raha mahazo  drakaka telo kilao isaky ny avy manjono. Amin’izao fotoana dia niakatra ho 100 kilao izany vokatry ny famerenana amin’ny laoniny ny honko izay potika teo aloha. “Tombontsoa be dia be no azonay amin’ny fambolena ny honko satria ao no manatody ny drakaka sy ny trondro ka nihatsara ny fari-piainanay, miaro ny sisin-dranomasina tsy ho kaohan’ny riaka”, hoy izy. Nanome fanazavana ihany koa ny teknisiana avy amin’ny PAGE Boeny, Mahavatra Fabrice fa 1350 hektara ny refin’ny ala honko ao amin’ny fokontany Amboanio izao ao anatin’ny faritra arovana Bombetoka.  Ny 1000 ha amin’io no harenina ka 400 ha ny fambolena vita nanomboka ny 2013 ka hatramin’ny 2019. Ny tohana avy amin’ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC. “Noyau dur” mbola tsy voakitika kosa ny 350 ha. Raha tarehimarika nomeny dia 50 kg isaky ny hektara ny vokatra drakaka azo.

Raha ny lafiny fizahantany no resahana dia manana ny lazan’ny manokana ny kaominina Baonamary  raha tsy hilaza afa-tsy ny fisian’ny “baobab” lehibe indrindra mihoatra ny hita eo amin’ny renivohitr’i Mahajanga, ny ala honko ao amin’ny faritra arovana Bombetoka saingy tsy dia mpahalala loatra izany, araka ny fanazavan’ny ben’ny tanàna teo aloha, Mohaminy Joseph. Ho fampiroboroboana ny fizahantany sy fampiakarana ny fidiram-bolan’ny mponina    ao amin’ny fokontany Ambatomalama dia nanome tanana azy ireo ny PAGE/GIZ sy ny tetikasa PRCCC tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola avy amin’ny vondrona eraopenina. Ho fampiharana ny tetikasa maitso dia nohajariana ho lasa toeram-pitsangatsanganana, nanamboarana “chalet” ary navadika ho “piscine naturelle” ny renirano mandalo ao amin’ny fokontany.

Ankoatra ny tomponandraiki-panjakana, fikambanana, koperativa miasa ao anatiny sy ivelan’ny faritra arovana dia tsy diso anjara tamin’ny tohana avy amin’ny PAGE/GIZ sy ny PRCCC ny Komanga Boeny.  “Ny 80 % ny fampiofanana fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpikambana natao teto an-toerana na tany ivelany dia avy amin’ny  PAGE/GIZ”, hoy ny filohan’ny Komanga, Rajaofera Mamisoa. Niforona tamin’ny taona 2009 ity fivondronamben’ny fiarahamonimpirenena miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eo anivon’ny faritra ity. Fikambanana 30 no mivondrona ao amin’izao. “Hatramin’ny nisian’ny Komanga dia nanohana ara-bola ireo programa momba ny fiarovana ny tontolo iainana ny PAGE sy ny vondrona eraopeanina”, hoy hatrany izy. Miezaka manaitra ny fitondram-panjakana, mpiara-miombona antoka  ny fahapotehana sy ny fahasimban’ny tontolo iainana, manentana olompirenena ny atao amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, mitady ny hevitra rehetra entina manatsara ny fiarovana ny tontolo iainana ao Boeny no anjara asan’ny Komanga Boeny.

Santionany amin’ireo asa vita hiatrehana amin’ny fiovan’ny toetr’andro ireo fa mbola ezaka goavana no miandry ny fitondram-panjakana, ny mpiantsehatra rehetra fa indrindra ny olom-pirenena amin’ny  ady atao amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Tsikaritra fa ny vahiny no tena mirodorodo mamatsy vola sy miasa eto Madagasikara momba ny voka-dratsy ateraky ny fiakaran’ny hafanan’ny tany.

Lynda A/Nirina R.