Tetikasa « Heaven Project »: Mizara maimaimpoana ny filazantsara araka izay azo atao.

Ny fety kristiana, toy ny paska sy pantekosta no tena betsaka ny fampisehoana an-tsehatra ataon’ireo mpanakanto eto amintsika. Lasa mirona amin’ireny fampisehoana ireny ny olona fa indrindra ny tanora « kristiana ». Tsy dia ahitana hetsika ara-pilazantsara anefa ireo vanim-potoana ireo. Raha ny tokony ho izy dia ny « kristiana » no tokony hihetsika amin’izany. Izany indrindra no niforonan’ny tetikasa « Heaven Project », hisarihana azy ireo hankalaza ny fety amin’ny alalan’ny fampisehoana evanjelika.

[embedplusvideo height= »370″ width= »570″ editlink= »http://bit.ly/1GdJf66″ standard= »http://www.youtube.com/v/ol9dqaxXDpk?fs=1″ vars= »ytid=ol9dqaxXDpk&width=570&height=370&start=&stop=&rs=w&hd=0&autoplay=0&react=1&chapters=&notes= » id= »ep3971″ /]

« Afaka mifety amin’ny alalan’ny fiderana an’Andriamanitra tokoa ny mpino kristiana amin’ireny vanim-potoana ireny », hoy ny mpandrindra ifotony ny tetikasa, Rado Rakotomalala. Tamin’ny volana desambra 2014 no nitsiry tao amin’ireo tompon’andraikitra ny famoronana ny tetikasa ary ity taona 2015 no anatanterahana azy. Fampisehoana miaraka amin’ireo mpanakanto ara-pilazantsara maimaim-poana no votoatin’ny tetikasa. Ny tanora no tena iantefan’izany. Ny tarika TGC na Tana Gospel Choir no miara-misalahy amin’ity hetsika ity ary ny orinasa RISE no misahana ny fampitaovana sy teknika rehetra. Efa nisy ny fitetezam-paritra nataon’izy ireo, toy ny tany Antsirabe nandritra ny fetin’ny paska sy ny alatsinain’ny paska. Ankoatra izany, handalo any amin’ny faritry Toamasina iny ihany koa ny tarika amin’ny 19 juillet 2015. Tsy ny fety kristiana ihany no asiana hetsika toy izao. « Afaka mifety ihany koa ny mpino mandritra ny hetsika ara-kolontsaina », hoy izy. Mandritra ny fandalovan’ny trozona ao amin’ny Nosy Sainte Maria na « festival des baleines », manomana hetsika ihany koa ny mpikarakara ao amin’ny Heaven Project. Hizara maimaim-poana ny filazantsara araka izay azo atao no tanjon’izy ireo amin’ny tetikasa. Araka fanazavana azo, mivelatra tokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo fiangonana na fikambanana kristiana ary tsy mifidy anaram-pivavahana izany. Ankoatra ny fampisehoana maimaim-poana, nizara baiboly 2000 sy vatomamy ihany koa ny tetikasa. Tsy hijanona eto an-toerana ihany ny « Heaven Project » fa manana vina hitety ny faritry Eropa amin’ny taona 2016.

Lynda A.