TATOO MAGIC: Mitsinjara fitaovana fitetehana legioma.

Mampanintona ny maso, ny endriky ny sakafo  misy haingony. Ho an’ireo tsy zatra mihinana legioma aza dia voasintona  hanandrana izany.  Ny fitaovana nampiasaina no mahatonga azy io. Ankehitriny, kojakoja  maro no nivoaka hanamorana ny fikirakirana ny lakozia fa indrindra amin’ny  fikarakarana sakafo. Ireny hotely lehibe ireny  no tena mampiasa azy. Vokatry ny firoboroboan’ny mpaninjara ireny  fitaovana ireny anefa dia  afaka mampiasa  ny any an-trano. “Ny Tatoo Magic izao no nampiditra voalohany ireo kojakoja fitetehana legioma teto Madagasikara”, hoy ny  Tompon’ny orinasa, Emilienne RAMONJA.

Fitaovana misy antoka avokoa no varotan’ny orinasa. Nambarany fa marika tsara avokoa ny entana amidiny ary nafarana avy any Eropa.

Mandray anjara amin’ny foaran’ny sakafo eny amin’ny  Alliance Française Andavamamba ny Tatoo Magic raha te hanjifa izany fitaovana izany.